“Football For Schools” : hatao ny 15 febroary izao ny andiany faharoa

Taranja anisan’ny mahasarika ny tanora ny baolina kitra. Hisy ny fifaninanana isan-tsekoly izay hatao any amin’ny faritr’i Vakinankaratra, amin’ity volana febroary ity.

Hotanterahina manomboka ny 15 hatramin’ny 17 febroary ho avy izao, any Andranomanelatra Antsi­rabe, ny andiany faharoa amin’ilay tetikasa ho an’ny sekoly, “Football for Schools”. Amin’ ity andiany ity, ireo ligy 11 tsy nandray anjara tamin’ny hetsika voalohany, izay natao teto Antananarivo, ny taona 2023 lasa teo, no miatrika izany.
Anisan’izany i Vakinanka­ratra, mpampiatrano, Diana, Analanjirofo, Androy, Atsimo Atsinanana, Bongolava, Fito­vinany, Matsiatra Ambony, Itasy, Sofia, Vatovavy.
Raha ny vaovao nampi­tain’ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra (FMF), noferana ho roa isaky ny faritra ihany no mandray anjara. Marihina fa ny iray amin’ireo dia sekolim-panjakana, raha sekoly tsy miankina ny iray. Tsara marihina fa iarahan’ny FMF manatanteraka amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahan­tena, ny fanapariahana ny “Football For School”.
Tsara ny mampahafantatra fa amin’ity hetsika ara-panatanjahantena ity, hisy ny fampiofanana ireo mpanabe eo anivon’ny sekoly. Tsiahi­vina fa anisan’ireo firenena afrikanina 16 voasafidin’ny Fifa hisitraka ity tetikasa ity i Madagasikara, ny taona 2023 lasa teo.
Tsiahivia fa ao anatin’ny fandaharanasan’ny federasiona vaovao, ny mijery sy mampivoatra ny baolina kitra eny ifotony. Ny FMF izay manana fanamby goavana, ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny Mondial 2026, hatao any Etats-Unis.

Fitia Randria

Partager sur: