Kitra – “JO 2024” : tsy anisan’ireo tafita i Brésil

Nitranga ny tsy nampoizina, tsy anisan’ireo handray anjara amin’ny « lalao Olympika, JO 2024”,  tanterahina any Paris France, ny Seleçaon’i Brésil, taranja baolina kitra, sokajy lehilahy. Tsy nahazo ny tapakila hiatrehana izany ry zalahy, taorian’ny fifanintsanana ho an’ireo firenena any amin’ny tapany atsimon’i Amerika. Raha tsiahivina, tompon’ny medaly volamena farany ry zareo brezilianina, eo amin’ity lalao olympika ity.
12 ireo efa tafita hiatrika izany, toa an’i Argentine, Paraguay, Mali, Maroc, Egypte, France mpampiantrano, Espagne, Ukraine, Israel, Etats-Unis, Republique Dominicaine ary Nouvelle-Zelande. Toerana efatra sisa hiadiana hameno ny isa 16 hiady ny lohany amin’ity andiany 2024 ity.
Hotanterahina ny 20 marsa 2024 any France, ny antsapaka hahalalana izay iray vondrona, ho an’ny taranja baolina kitra. Andrasana ihany koa ny anaran’ireo firenena tafakatra ho an’ny sokajy vehivavy. Marihina fa tompon’ny medaly volamena farany, i Canada, eo amin’izay andriambavilanitra izay.

Tompondaka

Partager sur: