Motocross – Mada 2024 : fandresena fanindroany ho an’i Mathias Plantive

Nisongadina indray ilay Malagasy mpilalao moto, i Mathias Plantive, nandritra ny fifaninanana nasionaly natao tany Antsirabe, ny faran’ny herinandro lasa teo.

Nanjakan’i Mathias Plan­tive indray ny dingana faharoan’ny fifaninanana nasionaly, taranja Moto Cross, sokajy “élite 1”, izay notanterahina tany Antsirabe, ny alahady 11 febroary lasa teo. Laharana voalohany ny tenany, ka nahazo isa 50. Teo amin’ny laharana faharoa kosa i Claudio Tida, nahazo isa 40 ary fahatelo, Rakoto­arimanana Randy, isa 32.

Tsiahivina fa tamin’ny dingana voalohany, natao tany Ambohidava Antananarivo, ny 28 janoary lasa teo, dia toy izao ihany ny isa sy ny filaharan’izy telo mirahalahy.

Araka izany, hita fa mbola ao anatin’ny heriny tanteraka i Mathias. Tanjona ho azy ny hitazona ny anaram-boninahitra efa azony. Tsara ny mampahatsiahy fa izy no tompondakan’i Madagasikara tamin’ny MX sy ny Enduro, ny taom-pilalaovana 2023. Raha tsy misy ny fiovana, hatao ny volana marsa ho avy izao ny dingana fahatelon’ity fifanintsanana ity.

Ankoatra izay, hotanterahina ny sabotsy 17 febroary ho avy izao, eny Soavina, ny “Gala des Champions 2023”. Tsara marihina fa nataon’ny Federasiona malagasin’ny taranja Moto (FMaM), ho fanomezam-pankasitrahana ireo Malagasy atleta nifaninana tamin’ny taom-pilalaovana 2022-2023 izany. Hahazo loka amin’izany ihany koa ireo “Mécaniciens”.

Fitia Randria

Ireo nahazo ny laharana voalohany tamin’ny sokajy hafa

Elite 2: Razafimahefa Miaro
Juniors: Rakotoarimanana Jeremy
Vétérans : Razafimahefa Tsirava
Vétérans 2: Makboul Tarzan
Amateurs: Adolphe Alain Houssen
85 cc, vehivavy: Chan Andriana
85 cc, lehilahy: Guillaume Tsiranana
65 cc, lehilahy: Ramanantsoa Thomas
65 cc, vehivavy: Ramanantsoa Louna
50 cc, : Leung Yen Eros

Partager sur: