Hotanterahina ny 2 hatramin’ny 3 marsa ho avy izao, eto Antananarivo, ny fifaninanana ho fanamarihana ny fisokafan’ny taom-pilalaovana 2024, taranja tsipy kanetibe. Ankoatra izay hisy fifaninanana nasionaly efatra hotontosaina amin’ity taona ity. Anisan’izany ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, izay hatao any Antsirabe, ny 5,6 ary ny 7 avrily ho avy izao. Hatao ny 3 -5 mey ny fifanintsanam-pirenena ho an’ny sokajy olon-tokana “tête à tête”. Hiatrika ny lalao ho an’olon-droa “doublettes” kosa ireo mpilalaon’ny taranja tsipy kanetibe, ny 28-30 jona. Any amin’ny volana septambra kosa no hanatanterahina ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny olona telo miaraka na “ triplettes”. Marihina fa tsy mbola vaofaritra ny toerana hanaovana ireo lalao telo ireo.
Nomarihin’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taranja tsipy kanetibe (FSBM) fa mety hiova, araka ny zava-misy eto Madagasikara, ireo fotoana natokana hanaovana ny fifaninanana ireo.
Tsara ny mampahatsiahy fa hifarana ny 31 marsa, ny fandraisana ny antontan-taratasy mahakasika ny fanavaozana ny kara-pilalaovana, licences 2024.
Fitia Randria