Basikety-“Game of the Future” : niainga omaly ny Malagasy delegasiona

Niainga ny alakamisy 15 febroary, hihazo an’i Kazana Russie, ny Malagasy delegasiona hiatrika ny fifaninanana “Phygital Basketball-Game of the Future”. Mpilalao 4 mirahalahy, ahitana an’i Loubacky Rick-Ley, Rahajaniaina Orlan­do (Bila), Rakotovao Marco ary Raharisoa Ahamada Ibra­him Aziz, miaraka amin’ny mpanazatra, Rakotonindrina Eli (Ramora) no hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany. Fi­lohan’ny delegasiona kosa Ramahandrimanana Hasina Fanantenana. Fifangaroana lalao basikety amin’ny alalan’ny “jeu vidéo” sy lalao eny ambony kianja ity fifaninanana ity, raha tsiahivina. Lalao­vin’olon-droa ilay “jeu vidéo” ka izay ekipa mahazo isa 19 no mahazo ny fandresena. Ho an’ny lalao eny an-kianja, basikety 2×2 ihany koa no hitranga, izay mahazo ny isa 39 no mandresy. “Team Antananarivo”, io no anarana hoentin’ny ekipa malagasy ary nanomezany toky fa hitady fandresena no handehanan’izy ireo any. Ho an’i Macro sy i Aziz, fanomanan-tena sahady ho azy ireo ity “Game the Future” ity amin’ny fiatrehany ny lalao afrikanina, hatao any Ghana ny volana marsa izao. Anisan’ireo handrafitra ny ekipa malagasy U23 lehilahy, ho any Ghana, izy roa lahy ireto, eo amin’ny taranja basikety 3×3. Tsiahivina, ny 21 hatramin’ny 29 febroary izao no hanatanterahana ny “Phy­gital Basketball-Game of the Future” any Kazana Russie.

Mi.Raz

Partager sur: