«Ligue des Champions 2024» : tsara fanombohana ny ekipa goavana

Notanterahina nanomboka ny talata sy ny alarobia lasa teo ny lalao mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa « Ligue des Champions (LDC) 2024 », taranja baolina kitra. Nandresy tamin’ny lalao mandroso avokoa ireo ekipa goavana toa an’ny Real Madrid Espagne, ny Manchester City Angleterre ary ny Paris Saint Germain France.
Tsiahivina fa lavon’ny Real Madrid, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny RB Leipzig, mpampiantrano. Ny Man City kosa nandavo ny Copenhague Danemark, 3 no ho 1, tany Parken Danemark. Niondrika teo anatrehan’ny PSG, 2 no ho 0, ny Real Sociedad, tao amin’ny kianjan’ny Parc de Prince France. Tsara marihina fa hanomboka ny 5 marsa ho avy izao ny lalao miverina amin’ity fifanintsanana LDC ity. Ankoatra izay, ratsy ny vokatra ho an’ny Bayern Munchen, ny alarobia lasa teo. Resin’ny Lazio Italie, tamin’ny isa 1 no ho 0, izy ireo, tao amin’ ny Stadio Olimpico Italie. Raha tsiahivina, ny ekipan’ny Manchester City no tompondaka faran’ny LDC 2023.

F.R

Partager sur: