Ora-mikija : arenina ny lalana tena ratsy amin’ny RN6

Miantraika amin’ny fotodrafitrasa ny rotsakorana misesy amin’izao fotoana izao, manerana ny Nosy. Anisan’ny tena voa mafy ny lalana, toy ny lalam-pirenena any amin’ny tapany avaratra sy ny atsinanan’ ny Nosy. Manoloana ireo, nanatanteraka asa vonjimaika amin’ny RN6 ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy, ny DRTP Sofia, ny faran’ny herinandro teo. Tsy maintsy atao izay hitohizan’ny fifamoivoizan’ny olona sy ny entana, hitsinjovana ny mponina sy ny mpampiasa lalana.
Anisan’ny fanarenana natao ny eo amin’ny PK 90, fokotany Tsinjofary, kaominina sady distrika Mampikony, ka nesorina ny fotaka nameno ny arabe. Eo koa ny PK 234+600, fokotany sady kaominina Anjiamangirana, nanamafisana ny fefiloha, izay nosimbain’ny olona vitsivitsy, ka navily ny rano mba tsy ho any amin’ny arabe. Nesorina koa ny fotaka sy ny fasika mandrevo teo amin’io lalana io. Mitohy hatrany ny fanaraha-maso sy ny fitsirihana ny lalana tena ratsy, ataon’ny DRTP Sofia amin’ny RN6.
Tsy mionona any amin’ny lalam-pirenena fahenina ihany ny asa vonjimaika toy izao, fa saika mitovy amin’izany avokoa ny any an-kafa, mba tsy hitohanan’ny fifamoivoizana. Mampahatsiahy ny minisiteran’ny Asa vaventy, fa tsy maintsy hisy ny asa maharitra hanarenana ny lalana, aorian’ny fotoam-pahavaratra, satria tsy afaka atao izany mandritra izao ora-mikija izao.

Njaka A.

Partager sur: