Aza mampidi-kizo, aza midi-kizo

Niaraha-naheno tamin’ny herinandro lasa teo ny fanambaran’ny fitondram-panjakana fa handray anjara amin’ny lalao afrikanina, hotanterahina any Ghana, ny Malagasy. Fihaonana hotanterahina ny 8 ka hatramin’ny 23 marsa ho avy izao. Nohamafisina ihany koa fa hanohana ireo atleta ny mpitondra amin’izany fihaonana an-tampony eto Afrika izany.
Samy velombolo avokoa ny rehetra nandre izany teny feno fampanantenana izany. Misy ihany anefa ny indrokely. Na efa voafaritra aza ireo taranja handraisana anjara, tsy mbola fantatra kosa ny ho isan’ireo atleta hoentina amin’io lalao afrikanina io. Eo am-pandinihina izay ho alefa any ny tomponandraikitra sy ireo teknisianina. Heno fa izay azo antoka hitondra medaly mody ihany no alefa hiatrika izany.
Mandra-piandry izany, misy feo mandeha etsy sy eroa fa aleon’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena mandefa ireo efa nahazo medaly volamena tamin’ny lalaon’ny Nosy farany teo. Aza mampidi-kizo ary aza midi-kizo fa tsy misy toerana voatokana amin’ny fanatanjahantena ka hoe: rehefa nahazo vokatra indray mandeha dia tsy azo soloina. Fifaninanana io, mety misy mahavita lavitra noho ireo izay efa nitondra avo ny voninahi-pirenena, ka aleo izay manana ny vokatra tsara mandritra ny fifantenana no handeha. Raha hiantehitra amin’ny vokatra tany amin’ny enim-bolana lasa, ho sarotra ny fandidiana ka aleo tsy mampidi-kizo ary tsy hidi-kizo amin’izany.
Misy lafiny miiba ihany koa izay satria mihevi-tena ireo nahazo medaly volamena fa efa izy no handeha ka mety tsy hifantoka tsara ao anaty fanomanana. Ekena fa ny ekipa mandresy tsy fanolo kanefa tsy kajikajy ny fiatrehana fifaninanana avolenta toa izao, fa ny ezaka atao ihany no hahazoam-bokatra ka aleo tsy midi-kizo na hampidi-kizo.

Tompondaka

Partager sur: