Jiu-Jitsu Breziliana : ho avy eto Madagasikara i Royce Gracie

Vaovao lehibe ho an’ny taranja Jiu-Jitsu Breziliana! Hoavy eto Madagasikara, ny volana mey izao, i Royce Gracie. Tsisy tsy mahafantatra azy eo amin’ny tontolon’ny JJB maneran-tany. Zanak’i Hélio Gracie, ilay olobe malaza namorina ny taranja Jiu-jitsu Brésilien, i Royce Gracie. Tany amin’ny taona 1990 tany no tena nampalaza azy ary efa tompondaka maneran-tany, tsy latsaky ny impolo. Azo lazaina, araka izany, fa zava-dehibe ho an’ny Jiujitsu malagasy ny fahatongavan’i Royce Gracie eto Mada­gasikara. Firenena maro no niandrandra ny hizarany traikefa fa ny firenena malagasy no nitsikian’ny vintana. Ny Telezoro Évents, mpikarakara hetsika ara-panatanjahantena sy ny federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu Breziliana no angady nananana sy vy nahitana izao fampiofanana hatolotr’i Royce Gracie eto an-toerana izao. Tsiahivina fa Razafimbola Arianala sy Ra­dafy Ranaivo, izay samy tepana mainty mipetraka any Canada, no nanorina ny Telozoro Events. Araka ny fandaharam-potoana, ny 25 mey hariva no higadona eto Madagasikara i Royce Gracie. Hanomboka ny 26 mey kosa ny fampiofanana arahina “festival” izay tarihiny. Ny 19 mey no hoavy eto an-tanindrazana ny Telozoro Events. Noha­mafisin’ny teo anivon’ny federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu Breziliana fa tsy mbola nisy teto Madagasikara sy teo amin’ny taranja rehetra misy, ny fahatongavana olo-malaza sy manana ny maha izy azy toy izao. Tsy ny taranja JJb ihany no hahazo tombony fa eo koa ireo haiady isan-karazany, toy ny MMA (Martial Mixed Arts). Efa tompondaka tamin’ny taranja MMA ihany koa mantsy, i Royce Gracie.

Mi.Raz

Partager sur: