Nahazo fandresena voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tenisy ambony latabatra i Madagasikara, omaly. Resintsika ireo ekipa voafantin’i Nigeria.
Notanterahina omaly, tany Busan Korea Atsimo, ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany « Mondial 2024 », taranja “ping pong”, lalao iraisana. Tsara ny vokatra ho an’ireo Malagasy mpilalao. Resin-dry zareo tamin’ny isa 3 no ho 1 ny mpilalao voafantin’i Nigeria.
Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, lavon’i Omatayo Olajide, nizerianina mpilalao tamin’ny seta 3 no ho 0 (11,8/11,7/11,8), Razafinarivo Antoine, Malagasy atleta, teo amin’ny lalao voalohany. Nandresy an’i Abiodun Bode, seta 1 no ho 3 (5,11/7,11/11,8/7,11), Rakotoarimanana Fabio, nandritra ny lalao faharoa. Resin’i Nativel Jonathan, seta 3 no ho 0 (11,0/11,0/11,0), Aruna Quadri, raha niatrika ny fifanandrinana fahatelo. Marihina fa tsy niakatra kianja i Aruna tamin’ity fihaonan’ny roa tonta ity. Nazava ny fandresen’ny ekipam-pirenena malagasy, rehefa nandresy an’i Omatayo Olajide, seta 0 no ho 3 (9,11/7,11/7,11), i Fabio.
Tsara ny mampahatsiahy fa resin-dry zareo mpilalaon’ny Republique Tchèque, tamin’ny isa 3 no ho 1 ireto Malagasy mpilalao ireto, nandritra ny andro voalohan’ity fifanintsanana ity. Araka izany, mbola tsy very ny fanantenana ho an’i Madagasikara satria mbola misy lalao roa miandry azy ireo. Tsiahivina fa i Madagasikara, miray vondrona amin’i Japon, Taipei Chinois, Nigeria, ary ny République Tchèque, ao amin’ny sokajy « 5 ».
Laharana fahatelo i Madagasikara
Taorian’ny andro voalohany sy faharoa, fantatra fa laharana fahatelo ao amin’ny vondrona “5” i Madagasikara. Voalohany i Japon ary faharoa ny République Tchèque. Ny fifanandrinana amin’i Japon sy Taipei Chinois no lalao roa miandry ny Malagasy.
Tsara marihina fa ity fifanintsanana ity izay hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “lalao olympika 2024”, hatao any Paris renivohitr’i France. Araka ny vaovao voaray, ireo firenena tafita amin’ny ampahefa-dalan’ity Mondial ity no tafita amin’izany. Tsara ny mampahafantatra fa hifarana ny 25 febroary ho avy izao ny fifaninanam-pirenena.
Fitia Randria