Raikitra ny andiany faha-4 amin’ny hetsika Sesam (Sports extrêmes et salon des Arts Martiaux), izay hotontosaina ny 10 hatramin’ny 12 mey izao, ao amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena Mahamasina. Tsy miova ny tanjona, ny hampiroborobo ny taranja “sports extrêmes” sy ny “Arts martiaux” eto Madagasikara ary indrindra ny fanabeazana ireo tanora tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina, araka ny fanazavana nentin’ny Maître Édouard Rajaona, tomponandraikitra ny fikarakarana. Hiavaka ity andiany ity satria hitombo ny isan’ny mpandray anjara, ny dojo sy ireo mpisehatra eo anivon’ny “Sports extrêmes”, hampiseho sy hampahafantatra ny momba azy ireo. Hisy, toy ny isan-taona, koa ny fampisehoana sy fifaninanana Dojo mendrika indrindra, raha ny fanazavany hatrany. Nisy ny fampahafantarana ofisialy ny Sesam andiany faha-4 ny zoma lasa teo, teny Analakely. Tsiahivina fa tao amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano no nanaovana ny andiany voalohany. Teny amin’ny Parvis Analakely ny andiany faharoa ary tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny andiany faha-3.
Mi.Raz