Na dia anisan’ny fialambolin’ny Malagasy fahiny aza ny hiragasy. Mbola maro ny toerana ahitana azy ankehitriny, indrindra ny eny ambanivohitra. Efa ahitana izany ihany koa ny ety an-drenivohitra , indrindra ny eto Antananarivo, taorian’ny nahavitan’ny Kianjan’ny hiragasy eo Ampefiloha.
Fampisehoana atrehin’ny vahoaka, mitovitovy amin’ny teatra atao an-kira, ahitana anatra sy torohevitra ary fampihavanana ny hiragasy. Ankoatra izay, fitambaran’ ny feon-javamaneno sy hira ary dihy mampiavaka ny faritra afovoantany eto Madagasikara, indrindra ny Merina, izy. Nanodidina ny taonjato faha-19 tany. Mpihiran’ andriana no nipoiran’ny hiragasy, teto afovoantany, tamin’ny andron’Andrianampoinimerina. Nanana ny naha izy azy ny hiragasy tamin’izany, ary tena nahavariana ny vahiny tokoa ity karazana haikanto malagasy ity. Ny taona 1937, nalefan’ny fanjakana frantsay nanao fampisehoana tany Paris ny tarika Razafimahefa Be Tsinjaka, avy eny Fenoarivo. Mbola manana ny toerana, ary nihanahazo toerana aza ity haikanto ity ankehitriny.
Teraka tao anatin’ny tontolom-piarahamonina faha-mpanjaka merina ny hiragasy. Ho fampirisihana sy fampialana voly ireo olona an’arivony, niasa tamin’ny fanaovana fefiloha, dia nandefasan’ny mpanjaka mpikabary sy mpihira ary mpandihy tena mahay teny an-toerana fiasan’ireo olona ireo. Kevoka ary tena nampidera ny fahaizany ihany koa ireo iraky ny mpanjaka hampiala voly azy ireo. Nandeha ny fotoana, ny fihaonana sy fifandonan’ny riba malagasy sy vahiny, tamin’izany andro izany, no tena lasitra namolavola ny hiragasy ho zavakanto hafakely. Ny fitambaran’ireo rehetra ireo no nanome ny lasitra ka namolavola ny hiragasy.
Miisa 8 ny dingana sy zavatra atao mandritra ny seho an-tsehatra ataon’ny mpanao hiragasy. Voalohany, sasinteny ataon’ny lehilahy fotsiny miaraka amin’ny amponga sy ny lokanga ary tehaka. Mitohy amin’ny kabary vaky sehatra izany avy eo, ahitana ny fialantsiny, fiarahabana, vavaka, ary fisaorana. Raha efa izany, miditra an-tsehatra amin’izay ny vehivavy. Ny reninkira, ahitana torohevitra sy fananarana ary fampihavanana no atao rehefa tafiditra an-tsehatra ny vehivavy. Rehefa vita izany, mitohy amin’ny dihy gasy ny seho ary mifarana amin’ny zanakira. Ara-tantara, tanàna roa no nipoiran’ny mpihiragasy tamin’ny andron’ny fanjanahantany. Rakotonanahary ny avy any Ambohimamory ary Rainizanamanga no avy eny Fenoarivo.
Mahakasika ny ankajon’ny mpihira gasy. Ny an’ny lehilahy dia misy hevitra efa nivoaka hoe nalaina avy amin’ny mpitari-tafika anglisy nanodidina ny taona 1800 ny ankajon’ny mpihira gasy merina. Misy ihany koa ny milaza fa efa nitafy lamba ny Ntaolo tamin’ny faha-mpanjaka ary ny loko jaky mena nidorehitra no lokon’ny Andriamanjaka, izay nakana ny lokon’ankanjon’ny mpihira gasy.
Miverina mahazo laka ankehitriny
Tafiditra ao anatin’ny tetikadim-panjakana ny fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny maha izy azy an’i Madagasikara. Anisan’izany ny nahazoana ny kianjan’ny hiragasy afaka ampiasaina sy hanehoana izany haikanto anisan’ny vakoka malagasy izany. Tanjona ny hampahafantatra, indrindra ho an’ny tanora, sy hampiroborobo ny hiragasy. Tsikaritra mantsy fa ny any ambanivohitra sisa no mahalala sy mahafantatra izany hiragasy izany.
Haikanto mampiavaka ny eto afovoantany ny hiragasy. Ara-tantara, tao amin’ny tanin-dRamala, andrefan’Antohomadinika, no ambohipihaonan’ny mpanao hiragasy, tamin’ny andron’ny filoha Philbert Tsiranana, vanim-potoana tena nampiroborobo sy nampahazo vahana ny hiragasy. Niaka-dapa matetika, ary tena nahazo laka tokoa ny hiragasy tamin’ny fitondran’ny filoha Tsiranana Philbert. Miverina amin’ny heriny kosa izy ankehitriny. Misy ny adin-kiragasy atao isaky ny alahady tolakandro, eny amin’ny kianjan’ny hiragasy. Maro ny mponina eto Antananarivo no liana, indrindra ny tanora. Nanambara izy ireo fa tsy araka ny nanampoizany azy ny hiragasy fa tena mahafinaritra ny mihaino sy mahita azy.
Ahitana hiragasy avokoa ny lanonana ara-pomba malagasy tamin’izany andro izany, indrindra ny teto Imerina. Tsy ny teto Imerina ihany anefa fa anisan’ny manao azy ity ihany koa ny Betsileo avaratra.
Nanatontosa : Lin