Anisan’ny taranja hifaninanan’i Madagasikara, mandritra ny lalao Afrikanina, hatao any Ghana, ny lalao Échecs. Hisolo tena ny Malagasy amin’izany Rakotomaharo Fy sy i Tsinjoniavo Aina Mahasambatra, ny 8 hatramin’ny 12 marsa izao. Samy antenaina hahazo medaly izy mianadahy ireto, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny Échecs, Andrianantenaina Ramalanjaona. Tsiahivina, vao avy nandrombaka ny tompondakan’i Afrika, Zone 4.4 farany teo, natao teto Madagasikara, Rakotomaharo Fy. Tsy zoviana amin’ny rehetra ihany koa fa efa mamiratra manerana an’i Afrika ity Malagasy mpilalao Échecs ity, izay miomana sahady ny hiakatra ho “Grand maître international”, amin’ity taona ity. Etsy ankilany, tompondakan’i Afrika, sokajy U12 ihany koa i Tsinjoniavo Aina Mahasambatra ka na eo aza ny taonany izay mbola kely, efa afaka miatrika lalao Afrikanina izy. Aorian’ny lalao Afrikanina, mbola hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, ao Accra Ghana, ny 12 hatramin’ny 21 marsa izao, Rakotomaharo Fy sy i Tsinjoniavo Aina Mahasambatra.
Mi.Raz