Ping Pong – “Mondial 2024”: resin’i Japon i Madagasikara

Notanterahina, omaly, ny andro fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tenisy ambony latabatra, “ping pong”, lalao iraisana, izay atao any Busan Korea Atsimo. Ratsy ny vokatra ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy. Nomontsanin’i Ja­pon, tamin’ny isa 3 no ho 0 izy ireo.
Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta. Lavon’i Harimoto Tomokazu, tamin’ny seta 3 no ho 0 (11,5/11,4/11,3), Rakotoari­manana Fabio, teo amin’ny lalao voalohany. Resin’i Shinozuka Hiroto, seta 3 no ho 0 (15,13/11,9/11,3), Razafinarivo Antoine, nandritra ny fihaonana faharoa. Ni­on­drika teo anatrehan’i Tanaka Yuta, seta 3 no ho 0, Nativel Jonathan, tamin’ny fifanandrinana fahatelo sady farany.
Araka izany, faharesena faharoa ho an’i Madagasikara izany. Tsiahivina fa resin’ny République Tchèque, tamin’ny isa 3 no ho 1 ny ekipa malagasy, nandritra ny andro voalohany. Nahazo fandresena, 3 no ho 1, nanoloana an’i Nigeria, ny andro faharoa. Ny andro fahatelo sady farany kosa no lalao hihaonana amin’i Taipei Chinois. Tsara ny mampahatsiahy fa natao hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “lalao Olympika 2024”, hatao any Frantsa, ity Mondial ity.

Fitia Randria

Partager sur: