Tsy mandeha fa tsy misy lohany mitarika azy, ankehitriny, ny federasiona malagasin’ny Taekwondo WT (FMTKD). Ny filoha teo aloha tsy eto an-toerana fa any ivelany, hany ka mivaralila ny fitantanana izay misy fiantraikany any amin’ ireo atleta.
Marisarisa ny tontolon’ny taranja Taekwondo WT eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Efa tsy manana filoha mpitantana azy intsony mantsy ny federasiona, FMTKD. Tapitra ny volana avrily 2023 ny fe-potoam-piasan’ny filoha teo aloha, Ramanantsoa Christian. Hatramin’izao, tsy mbola tontosa ny fifidianana izay ho mpitantana vaovao ny federasiona. Raha tsiahivina, ny 2 oktobra 2023, nandefa taratasy fampahafantarana mitondra ny laharana 202310011/ FMTKD/PRESIDENT, tamin’ireo rantsa-mangaika ny filoha teo aloha, ny amin’ny daty hanatontosana ny fifidianana isan’ambaratongany.
Tsy nisy ny olana fa tontosa avokoa ny an’ireo seksiona sy ireo ligim-paritra. Raha ny fandaharam-potoana, ny volana janoary lasa teo no anjaran’ny federasiona saingy tsy tontosa izany hatramin’izao. Tsy misy fampahafantarana ireo ligim-paritra avy amin’ny komity mpitantana eo anivon’ny federasiona teo aloha ny antony tsy mbola maha raikitra izany na ny fanomezana daty marina hanatontosana azy io.
Olana goavana ho an’ity federasiona ity ny tsy maha eto an-toerana ny filohany ka manano sarotra ny fifandraisana amin’ireo ligy tantaniny. Miandry ny baiko avy any aminy avokoa, raha ny heno, ny fampandehanan-draharaha. Vokany, tsy afa-niatrika ny fifanintsanana niadian-toerana ho an’ny lalao Olympika, tany Sénégal, ny 10 sy 11 febroary lasa teo, ny Malagasy. Ankoatra izay, nambaran’ireo filohana ligim-paritra fa maro loatra ireo fandaharam-potoana tsy tontosa raha tsy hilaza afa-tsy ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny FMTKD.
Tompondaka