Voninkazo miavaka sy mitondra soa maro ho an’ny zanak’olombelona ny orchidée. Efa maro ny mpikaroka miezaka mitady sy manodina ny vokatra ho lasa akora hafa azo ampiasaina hitondra soa ho an’ny olona.
Mahatratra 25 000 hatramin’ny 30 000 ny voninkazo orchidée miparitaka manerana an’izao tontolo izao. Ahitana betsaka azy indrindra ny any amin’ny faritra mafana sy aty ala. Anisan’ny ahitana azy io ihany koa ny eto Madagasikara, izay manana karazany betsaka indrindra maneran-tany. Mahatratra 1 200 izy ireo eto amin’ny Nosy. Tsy fahita afa-tsy eto amintsika ny 80 % amin’ izy ireo. Any amin’ny morontsiraka Atsinanana no tena ahitana ny orchidée eto Madagasikara. Any anaty ala avokoa izy ireo amin’ny ankapobeny. Ahitana azy betsaka sy tena mamoaka ny hatsaran’ity voninkazo ity ihany koa any Andasibe.
Miavaka amin’ny voninkazo hafa rehetra ny orchidée. Amin’ny ankapobeny, mila zavamaniry hafa izy hanohana azy sy itombony.
Anisan’ny mampiavaka ny firenena malagasy amin’ny firenena hafa ny fananana ireo karazan-javamaniry samihafa. Mitondra tombontsoa betsaka eo amin’ny tontolon’ny ara-toekarena ny fananana ity karazam-boninkazo iray ity. Misarika mpizahatany maro avy any ivelany ny fahitana ny hakantony. Niezaka sy nanohy nanatsara ny fampiasana ny vokatra azo avy aminy ny mpikaroka sy ny mpankafy ity voninkazo iray ity. Raha ho an’i Madagasikara manokana, mahasarika mpizahatany maro ny fananany karazana orchidée. Lasa fanondrana any amin’ny firenena hafa ihany koa izy io noho ny hatsarany, raha ny zava-misy. Anisan’ny vokatra azo avy aminy ny savony, ny menaka manitra. Indrindra ho an’ireo mpikarakara endrika amam-bika maro any ivelany. Afaka mitsabo ny aretin’ny hoditra ateraky ny hafanana be ihany koa izy io. Toy ny fanalana tasy, kentrona… Ampiasaina hahazoana torimaso, indrindra ho an’ny ankizy izy io. Manala havizanana sy mahatony ny adin-tsaina ihany koa ity voninkazo ity.
Ho lany tamingana ny 1 015 amin’ireo orchidée
Maro karazana ny voninkazo Orchidée. Toy ny Cymbidium, Dendrobium botaniques, Dendrobium hybrides, Dendrochilum, Gongora, Maxillaria, Miltonia, Oncidium… Voarara hatramin’ny taona 1970 ny fambolena azy io any an-tokantrano satria tandindomin-doza ny karazany sasany. Anisan’izany, ny “Cymbidium”, na ny orchidée mainty. Araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, ahina ho lany tamingana ny 1 015 amin’ireo karazana orchidée hita eto Madagasikara. Antony mahatonga izany ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ataon’ny olona amin’ity zavamaniry ity. Eo ihany koa ny doro tanety ary ny fiovaovan’ny toetry ny andro. Hita taratra izany teo anelanelan’ny taona 1953 sy 2014. Nihasimba sy nanjavona tsikelikely ny ala eto amin’ny Nosy. Nanaovan’ny olona toeram-pambolena sy asa fivelomana.
Orchidée, mila hazavana, rano ary sakafo
Efa maro ny mpankafy sy mpamboly ny voninkazo orchidée eto Madagasikara. Anisan’ny tia mikarakara izany Andriamatanarivo Fanevasoa, mponina eny Antanetibe Mahazaza sady mpikambana tsotra eo anivon’ny fikambanana Soa Mitsinjo. “Efa tiako hatramin’ny mbola kely ny mikarakara voninkazo ka antony nandrisika ahy hisehatra eo amin’ny fambolena azy”, hoy izy nitantara. Mamboly voninkazo maro samihafa izy, anisan’izany, ny orchidée, izay tena tiany indrindra ny mikarakara sy mijery ny faniriny, raha ny fanazavany hatrany. “Hatramin’izao, sady mizara no maka traikefa any amin’ny olona aho amin’ny fikarakarana azy”, hoy hatrany izy.
Amin’ny ankapobeny, mahatratra eo amin’ny 100 andro eo ho eo vao mamokatra voniny ny orchidée iray. “Mila fitiavana sy faharetana be ny fambolena sy fikarakarana io karazana voninkazo io satria tsy mitovy amin’ny voninkazo hafa rehetra izy”, hoy Andriamatanarivo Fanevasoa, mponina eny Antanetibe Mahazaza sady mpamboly voninkazo. Indroa na intelo isan-kerinandro ny fanondrahana ity voninkazo iray ity. Mba hampahazo aina sy hampaniry tsara azy, atao azon’ny hazavana sy omena rano ary sakafo tsara izy.Ahena kosa ny fanondrahana rehefa ririnina. Miovaova arakaraka ny karazany kosa ny fikarakarana sy ny fanondrahana azy. Azo ampiasaina hikarakarana ny fambolena orchidée ny rano mifangaro vinaingitra. Natao hanadiovana ny raviny io torohevitra iray io.
Nanatontosa : Mino