«Afrobasket Men 2025» : 12 mirahalahy hanafika any Egypte

Nanainga omaly, nihazo an’i Le Caire renivohitr’i Egypte, ny ekipan’ny Ankoay, lehilahy. Hiatrika ny dingana voalohany ho an’ny fifanintsanana «Afrobasket Men 2025» izy ireo. Fihaonana hatao ny 23 ka hatramin’ny 25 febroary ho avy izao. 12 mirahalahy ny mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena.
Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona «D» no misy ny ekipa Malagasy. Miray vondrona amin’i Côte d’Ivoire sy i Egypte, mpampiantrano ary ny République Centrafrique i Madagasikara. Mitarika sy manazatra ny ekipan’ny Ankoay mandritra ny fifaninana, Ravonimbola Jeannot.

Fitia Randria

Ireo mpilalaon’ny Ankoay

1-Ravelojaona Heriniaina Ony Tanjona
2-Lahontan Rija
3-Razanamehina Kiady Mijoro
4-Randriamampionona Elly
5-Ratianarivo Livio Rocheteau
6-Tsialefitra Jino Phily Claudel
7-Faralahy Monja Romain Mickaolos
8-Rasolomanana Anthony Nelson Severin
9-Rabibisoa Jerry Pepin
10-Solondrainy Alpha Jean Arnol
11-Rakotonirina Fiary Johnson
12-Raharimanantoanina Sitraka

Partager sur: