Beach soccer : tsy nivoaka vondrona ny Faraonan’i Egypte

Nofaranan’Italia ny dian’i Egypte, solontenan’i Afrika amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja “Beach soccer”. Mbola manana fanantenana i Sénégal.

Tanterahina ao amin’ny kianja Dubai Design Disctrict Stadium, ao United Arab Emirates, nanomboka ny 15 febroary lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny baolina kitra lalaovina eny amin’ny torapasika (Beach soccer 2024). Taorian’ny fifanintsanana isam-bondrona, nangoron-damba ny Faraonan’i Egypta, ho an’ny sokajy “A”. Faha­resena roa sy fandresena iray ny hany azon’izy ireo, izay tsy ampy hiakarana amin’ny ampahefa-dalana. Raha tsiahivina, niondrika teo anatrehan-dry zareo mpampiantrano, tamin’ny isa 2 no ho 1, teo amin’ny andro voalohany. Avy eo nanilika an’i Etats-Unis, 5 no ho 4. Saingy resin’i Italie, 6 no ho 2, teo amin’ny lalao natrehiny farany.

Fandresena iray sy faharesena iray kosa ny an’i Séné­gal, tompondakan’i Afrika, tao amin’ny sokajy “C”. Resin’i Belarusse, 4 no ho 6, teo amin’ ny lalao voalohany. Nandavo an’i Columbie, 5 no ho 3 teo amin’ny fihaonana faharoa. Miankina amin’ny lalao farany ny hahalalana ny ho tohin’ny dian’izy ireo. Hatreto, firenena efatra no efa nahazo ny tapakila hiatrehana ny ampahefa-dalana. Italie voalohany ao amin’ny sokajy “A” hifanandrina amin’i Tahiti, faharoa vondrona “B”. Iran, mitarika ao amin’ny sokajy “B” hikatroka amin’i United Arab Emirates, faharoa ao amin’ny “A”. Lalao hotanterahina rahampitso alakamisy 22 febroary.

Tompondaka

Partager sur: