Mpanao mari-trano : manana anjara andraikitra ao anatin’ny fanajariana ny tany

Tsy mbola mahafantatra ny asan’ny mpanao mari-trano ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy, raha ny fanadihadiana natao. Mihevitra ihany koa ny sasany fa lafo sy natokana ho an’ny mpanankarena izany. Miteraka faharatsian’ny fotodrafitrasa anefa izany, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny Holafitry ny mpanao mari-trano malagasy.

Tsy misy taratasy fahazoan-dalana avokoa ny 80 %-n’ny trano aorina eto Madagasikara fa samy manao izay tiany, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ny Holafitry ny mpanao mari-trano malagasy. Antony iray mahatonga ny tanàna sy ny fotodrafitrasa tsy milamina eto an-toerana, raha ny fanazavana voaray hatrany. «Maro, araka izany, ny trano naorina nefa nirodana, noho ny tsy maha matihanina ny nanao ny trano», hoy Rahoeliarivahy Fara, filohan’ny Holafitry ny mpanao mari-trano eto Madagasikara, raha nanontaniana.
Manisy varavarankely any amin’ny rindrina iraisan’ny trano roa samy hafa ny olona rehefa manorina trano, raha ny zava-misy. Hita amin’izany avokoa ny zavatra atao sy mitranga rehetra ao anatin’ilay trano mifanila. Nilaza izy fa tsy mety ny fanaovana izany satria tsy mampirindra ny fiarahamonina sy toy ny mitsikilo ny mpiara-monina aminao ihany koa.
Manana anjara andraikitra lehibe ao anatin’ny fanajariana ny tany ny mpanao mari-trano Mikorontana ny firafitry ny tanàna sy ny trano fonenana misy eto amintsika ankehitriny. Ilaina, araka izany, izy ireo mba hampirindra ny tanàna. Mba hanatsara ny tontolo iainanan’ny vahoaka malagasy sy ny trano honenany. Miditra an-tsehatra amin’ny fananganana trano fonenana, tranom-panjakana, toerana hifaneraseran’ny olona,…izy ireo. Toy ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka, ny zaridaina, tsena… Mamaly ny filàn’ny olona eo amin’ilay toerana misy ny asa ataon’izy ireo amin’ny ankapobeny.
Miavaka ny fotodrafitrasa raisin’izy ireo an-tanana raha oharina amin’ny tsy misy azy ireo, raha ny fanazavana hatrany. Manaraka ny fitsipika sy ny lalàna misy ny fanorenana ataon’izy ireo. Manaja ny tontolo iainana sy ny fiaraha-monina manodidina ny tany hanorenana ihany koa. Anisan’ny mampiavaka ny asan’izy ireo ny fa­hatezan’ny asa sy ny maha azo antoka ny fotodrafitrasa vita. “Mora fantatra ny fanorenana raisinay an-tanana satria mirindra sy mahafinaritra jerena ary manaraka ny rafitra matihanina amin’ny fanorenana”, hoy hatrany Rahoeliari­vahy Fara, filohan’ny Holafitry ny mpanao mari-trano malagasy.

Mifanampy ny mpanao mari-trano sy ny injeniera

Tsy mbola mahafantatra ny tena anjara asan’ ny mpanao mari-trano ny ankamaroan’ny olona eto amin’ny Nosy. “Efa vitan’ny injeniera ny asa rehetra mahakasika ny asa fanorenana trano ka tsy ilana mpanao mari-trano intsony », raha ny fanazavan’ny olon-tsotra nanontaniana. Mihevitra ihany koa izy ireo fa lafobe ary natokana ho an’ny mpanankarena ihany ny fakana ireny, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Miezaka mampahafantatra sy manatona vahoaka, araka izany, ny holafitra. Mba hahafahana manampy ny mponina sy manatsara ny fotodrafitrasa eto an-toerana.
“Ny mpanao mari-trano no ambony indrindra amin’ny fa­namboarana trano sy fotodrafitrasa, raha jerena ny antanan-tohatra”, hoy Andri­nirina, conseiller, commission juridique. “Miara-miasa amin’ny injeniera amin’ny fanaovana ny asa rehetra izahay. Indrindra ny fanaovana kajy rehetra mahakasika ny fotodrafitrasa”, hoy hatrany izy. Nambarany fa tsy mi­fangalatra asa fa mifameno izy ireo satria raha ny injeniera manokana, tsy manao fa­molavolan-drafitra (conception) izy ireo. Tsy manao drafitra (Plan) kosa ny mpanao mari-trano fa manome soso-kevitra hanatsarana ny asa.

Maharitra dimy taona ny fianarana

Tsy mbola misy ny sekoly natokana hianarana ny haimari-trano eto Madagasikara satria mikambana ao amin’ ny Union internationale des architectes sy ny Union des architectes d’Afrique ny Holafitra eto Mada­gasikara. Mivoaka amin’ny sekoly izay manaraka ny rafitra ao amin’ireo fikambanana roa ireo ny ankizy iray vao afaka mahazo ny mari-pahaizana mahakasika izany. Nilaza ny Holafitra fa efa an-dalana ny fananganana ny sekoly manaraka ny fenitra izy ireo amin’izao fotoana izao. Maharitra dimy taona ny fianarana ka mahazo ny mari-pahaizana momba ny haimari-trano. Miampy taona iray izany dia afaka miditra ao amin’ny Holafitry ny mpanao mari-trano malagasy ny olona iray.
Maro ny sekoly manofana ankizy eto Madagasikara. Tsy maintsy mandalo eo ambany fahefan’ny Holafitra avokoa anefa ny fampianarana sy ny zava-drehetra ma­hakasika ny Architecture izay vao afaka raisina, raha ny voasoratra ao anatin’ny ordonnance 93-018 mahakasika ny asan’izy ireo.
Marihina fa tsy maintsy maka mpanao mari-trano rehefa hanorina fotodrafitrasa 150m2 no mihoatra, araka ny lalàna misy. Misy olona tsy maka satria tsy mahafantatra izany. “Tsy mbola manenjika ireny olona ireny izahay fa mbola mampahafantatra aloha hatramin’izao”, hoy hatrany ny filohan’ny Holafitra. Nambarany fa afaka volana maromaro ny fampiharana sy ny fanasaziana ny olona mikiry tsy maka azy ireo.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: