Nofaranan-dry zareo Sinoa ny lalan’i Madagasikara, amin’ny fifaninanana maneran-tany taranja tenisy ambony latabatra. Tsy tafita any amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalana ny ekipa malagasy.
Tsy tafita any amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalan’ny “Mondial 2024”, taranja “ping pong”, lalao iraisana, i Madagasikara. Fifaninanana atao any Busan, Korea Atsimo. Resin’ny Sinoa avy ao Taipei tamin’ny isa mazava 3 no ho 0 izy ireo, omaly. Lalao natao nandritra ny andro faran’ny fifanintsanana isam-bondrona, ho an’ny sokajy “5”.
Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, lavon’i Kao Cheng Jui, tamin’ny seta 3 no ho 0 (11,7/11,3/11,5), Razafinarivo Antoine, teo amin’ny lalao voalohany. Resin’i Huang Yan Cheng, seta 3 no ho 0 (11,4/11,7/11,8), Rakotoarimanana Fabio, nandritra ny fihaonana faharoa. Niondrika teo anatrehan’i Feng Yi-Hsin, seta 3 no ho 0 ( 11,3/11, 4/11,8), i Nativel Jonathan, tamin’ny fifanandrinana fahatelo sady farany.
Tsiahivina fa tamin’ireo lalao efatra nataon’i Madagasikara, fandresena tokana nanoloana an’i Nigeria, isa 3 no ho 1, no azon’ny ekipantsika. Tsara ny mampahatsiahy fa nomontsanin’i Japon, tamin’ny isa 3 no ho 0 ny atleta malagasy afakomaly, tamin’ny andro fahatelon’ny lalao isam-bondrona. Tsy afaka ny hiatrika ny “lalao olympika” hatao any Paris, amin’ity taona ity, araka izany, ny ekipam-pirenena malagasy. Tsara marihina fa ireo firenena manao ny lalao ampahefa-dalana no tafita amin’izany.
Fitia Randria