Malalaka ny tsenan’ny mpiseradia eto Madagasikara. Mila mandalo fanadiovana sy miditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna anefa izany mba hampivelatra ny fizahantany.
Singa iray ao anatin’ny rojon-toekarena ny asana mpiseradia. Vitsy anefa izy ireo manoloana ny tolotra sy ny tinady eo amin’ny sehatry ny fizahantany izay manomboka miarina amin’ izao fotoana izao. Ankehitriny, manodidina ny 2 600 ireo mpiseradia manerana ny Nosy, betsaka ihany koa ireo eo
amin’ny sehatry ny tsy ara-dalàna. “Tsy maharaka ny isan’ ny mpiseradia, antony nahatonga ny lahadinika natao. Te hanomana ireo mpandimby izahay”, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Confédération du tourisme de Madagascar, Razafimahefa Tojo Lytah, omaly nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho any mpiseradia tetsy Analakely. Miezaka mampiditra an’ireo mpisehatra tsy ara-dalàna ho matihanina ny minisitera. “Misy ny tranokala natokana anisana an’ireo mpiantsehatra samihafa”, hoy ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana, Rasoanaivo Diana. Andrasana ihany koa ny didim-panjakana hoenti-mampiroborobo ny asan’ny mpiseradia. Ho tazomina, hoy izy, ny fisian’ny sokajina mpiseradia eto amintsika. Ankoatra izay, mandalo dingana maro ny fampiofanana ny mpiseradia toy ny famantarana ny filana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nisy fandaharanasa Miatrika I, nitazomana ny traikefan’ireo mpiantsehatra. Hampitomboina ny fahalalana sy hampakarana ny kalitaon’ ny fizahantany eto Madagasikara kosa ny Miatrika II.
Olana
Olana goavana sendran’ny mpiseradia ny haratsian’ny lalam-pirenena samihafa sy ny tsy fandriampahalemana. Ao ihany koa firoboroboan’ny teknolojia sy ny nomerika ka nahatonga ny lohahevitra hoe “mbola mahasarika ve ny asan’ny mpisera” nandritra ny fankalazana ny faha-25 taonan’ ny fikambanana nasionalin’ny mpiseradia.
Henintsoa Hani