Mpandeha roa maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Nosy-Be, omaly. Nitondra olona folo io Bajaj tra-doza io. Tsy nahazo tampoka ny hisatra ka nivarina tany an-kady ny fiara nitondra ireo olona am-polony. Naratra mafy ny ankamaroan’ireo mpandeha ireo. Niezaka nanavotra ireo tena voa mafy teny anivon’ny hopitaly ireo nanatri-maso saingy tsy tana ny ain’ny roa tamin’ireo lasibatra. Manaraka fitsaboana ireo olona valo hafa. Avy any amin’ny tanànan’i Bemanondrobe nikasa hihazo ny renivohitra ao an-toerana ireto tra-doza tampoka ireto.
Tsiferana R.