Raikitra ny fiadiana ny ho tompondakan’ny klioba eto amin’ny faritra faha-7 (CC Zone 7), taranja volley-ball, hotontosaina eto Madagasikara. Ekipa 30 avy amin’ny firenena 5 eto amin’ny faritra faha-7 no hifaninana.
Tsy misy fiovana fa hanomboka rahampitso 24 febroary ary hitohy hatramin’ny 2 marsa izao ny fifaninanana CC Zone 7, taranja volley-ball. Efa fantatra avokoa ireo klioba handray anjara, izay ahitana ekipa 30 avy amin’ny nosy Maorisy, Seychelles, La Réunion, Mayotte ary i Madagasikara, mpampiantrano. Firenena manana ekipa betsaka indrindra i Madagasikara, mpampiantrano. Klioba 10 no hita ao anaty lisitra fa hifaninana amin’ity fifaninanana ity, ahitana ny GNVB lahy sy vavy, ASI lahy sy vavy, Stefauto, Mama, Cosfa, Club Volley-ball Farafangana, Squad X-Club ary ny Association sportive Akany Sambatra. Ho an’ny Nosy Renioney, ekipa 8 no ho avy, ahitana ny Tampon Gecko Volley-ball lahy sy vavy, VBC Saint Denis lahy sy vavy, Saint Denis Olympique lahy sy vavy, VBC Saint Leu ary ny Volley-ball club de la Côte Ouest. Ekipa 6 ny avy ao Maorisy, misy ny Rodrigues olympique montagne voyage , Rodrigues oranges club sportif d’amitié, Port Louis Fire Star Volley-ball Club, Tranquebar Black Rangers Volley-ball Club, Club sportif de Pamplemousses ary ny Flaucon Flac Camp-Ithier VBC. Ho an’i Seychelles, ekipa 4 no hifaninana, ahitana ny Premium Spikers, Premium Cobra Volley-ball Club, Anse Royales ary ny Cities Ladies Volley-ball. Farany, ekipa 2 no solontenan’ny Mayotte, ny Zamfi club de Mtezamboro lahy sy vavy. Ankoatra ny fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana, izay nambaran’ny Tale jeneralin’ ny fanatanjahatena, fa voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara ny fandraisana izao fifaninanana iraisam-pirenena izao, mpiara-miombona antoka maro no manampy. Anisan’izany ny Airtel Madagascar izay manampy eo amin’ny fifandraisana. Ny Airtel no mpanohana ofisialy ny andiany faha-28 ny CC Zone 7. Tsiahivina, kianja telo no handray ny lalao, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, Kianja mitafon’ Ankorondrano ary eny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso. Lalao 14 no hitranga isan’andro ka fifanintsanana isam-bondrona no hanombohana izany ary hitohy avy hatrany amin’ny ampahefa-dalana. Hatao anio kosa ny fivoriana ara-teknika sy ny antsapaka.
Mi.Raz