Espoirs Sportifs de Tuléar: haka medaly maro amin’ity taona 2024 ity

Fanamby vaovao mihitsy no apetraky ny fikambanana Espoirs Sportifs de Tuléar (EST) amin’ity taona 2024 ity, araka ny nambaran’ny filohany, i Vital Serge. Tanjona lehibe iray ny haka medaly maro.

Ankoatra ny fanatanjahantena, hiditra bebe kokoa amin’ny lafiny ara-panabeazana sy ny ara-tsosialy ny Espoirs Sportifs de Tuléar . Tsy misy vokatra mantsy, hoy i Vital Serge, raha tsy mifanaraka amin’izany ny sosialy. Fandaharam-potoana maro no miandry ny fikambanana amin’ity taona ity, na ny lafiny fanatanjahantena izany na ny fiainan’ny filohany manokana. Eo amin’ny fanatanjahantena, zava-dehibe ho an’ny EST ny fandraisan’i Toliara, ny fiadiana ny ho tompondaka nasionaly U-18, amin’ity taona ity. “Tsy ho avelanay hivoaka an’i Toliara ny amboara”, hoy ny nambaran’i Vital Serge. Handray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena avokoa ny sokajy rehetra misy eo anivon’ny fikambanana, ho an’ny taranja basikety sy Handball.

Manome lanja ny eny ifotony
Eo amin’ny lafiny sosialy, mitohy ny hetsika fizarana jiro hanomezana hazavana ny ao an-tanànan’ i Toliara. Ny eny anivon’ny fokotany mihitsy no nizarana jiro satria ireny no fototry ny fampandrosoana ary mila omena ny lanjany ny sefo fokotany noho izy ireo mifandray akaiky amin’ny fokonolona. Ho fitsinjovana ireo tanora mody hariva avy miatrika fifaninanana ihany koa no tena tanjona amin’izao fametrahana jiro eny anelakela-trano izao. Maro amin’ireo tanora mpanao fanatanjahantena mantsy no mipetraka any anaty tanàna any, araka ny fanazavana hatrany. Ankoatra izay, mitohy koa ny fanomezana fitaovana ara-panatanjahantena eny anivon’ny fokontany. Tsy ny klioba ihany no tokony hahazo fitaovana satria misy talenta miafina eny anivon’ireny fokotany ireny izay tsy misy mijery.

Mi. Raz

Partager sur: