Saosety: laoka vitsy mpitia nefa mitondra vokatsoa maro

Sakafo fantatry ny maro ary betsaka amin’izao fotoana izao ny saosety. Ataon’ ny olona fangaron-daoka sy la­sary izy ireny amin’ny ankapobeny. Maro ihany koa anefa ny olo­na tsy tia mihinana io vokatra iray io. Anisan’ny ma­ha­tsara ny fa­ha­salaman’ny olom­­belona anefa izy.

Anisan’ny legioma tsy lefy laza ary maro mpamboly eto Madagasikara ny saosety. Vanim-potoana ma­m­pitobaka azy eny an-tsena izao. Nanomboka ny volana janoary hatramin’ny fiantombohan’ny volana marsa ny maha betsaka azy io eto an-toerana, raha ny fanazavan’ny mpivarotra nanontaniana. Ahitana azy io avokoa ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy. Anisan’izany ny eto Ana­lamanga. Fotoana fahamoran’ny vidiny ihany koa izao. Manodidina ny 500 hatramin’ny 1 000 Ar eo ny kilaon’ny saosety eny amin’ny mpivarotra, etsy Anosibe, 500 na 800 kosa ny toko iray.
Maro ny olona tsy mankafy azy io, raha ny fanadihadiana natao. Maro anisa amin’izy ireo ny ankizy sy ny tanora, izay kivy tanteraka ary tsy mazoto homana mihitsy rehefa saosety ny laoka ao an-trano. Antony mahatonga ny maro tsy tia azy, noho izy io tsy misy tsirony loatra. Mankaleo vetivety ihany koa ka tsy tiana raha hohanina matetika. Misy ihany koa ny mihevitra fa sakafo mampisy rano ao anatin’ny vatana ny fihinana azy ka matahotra ny hafa mihinana azy. Ankoatra izay, maro ny mihevitra fa sakafo natokana ho an’ny olona sahirana ara-pivelomana ny saosety satria mora vidy.

Sakafo miady amin’ny
areti-mifindra

Maro ny soa azo avy amin’ny fihinanana saosety, in­drindra eo amin’ny fahasalamana. Anisan’ny sakafo nentina niady tamin’ireo areti-mifindra nandritra ny taonjato faha-18 izy io, raha ny fikarohana nataon’ny mpahay siansa. Sakafo mahatsara ny fahasalaman’ny olona indrindra ihany koa izy io.
Manankarena otrikaina maro ny saosety. Ahitana calcium 13mg, potassium 173 mg, magnesium 12mg, fibre 18,3mg, 18mg ny vitamine B9 ary 8mg ny vitamina C ao amin’ny sosety 100g. Miaro amin’ny aretina vokatry ny tsy fahampian’ireo singa ireo ao amin’ny vatan’olombelona ny fihinana azy io matetika. Toy ny sery, gripa, aretin’ny fo sy lalandra, eny fa na hatramin’ny homamiadana aza. Ma­natsara ny fiasan’ny tsinay, manamafy ny hery fiarovana ary miady amin’ny aretina mivonto sy manaintaina ihany koa. Ankoatra izay, mampihena sy manala ny tavy ao anatin’ny vatan’ny olombelona ihany koa izy. Manampy amin’ny fandevonan-kanina ny saosety ary tsara ho an’ny olona marary vavony sy tsinay ihany koa. Haingam-piasa ihany koa ity legioma ity ho an’ny olona mitohana sy tsy mahalevon-kanina. Mana­fi­saka kibo haingana ihany koa ny fihinanana sosety tsy misy menaka ka azo hanaovana «régime» mampihena tsara izy, noho izany. Mahabe ronono ho an’ny reny mitaiza ihany koa ny fihinana saosety. Ampirisihina hatrany ny vehivavy tsy ampy rononon-jaza, na manan-janaka vao teraka hatramin’ny faha-2 taona mba hihinana azy.

Tsara ny mihinana saosety manta

Tena fanafody ho an’ny vatana ny saosety manta. Manala havizanana, ny adin-tsaina, ny tebiteby… Mila mazoto mihinana saosety ny olona iray raha te ho salama lalandava. Ampiarahina amin’ny hena isan-karazany no tena hahafantaran’ny maro ny fahandro azy ity. Ampifangaroana amin’ny totom-boanjo ihany koa. Maro ny fomba fahandro sy fihinanana azy ary ovaovaina matetika mba tsy hankaleo.
Ireto misy fomba fahandro vitsivitsy atoro anao. Andrahoina bolongany sy amin’ny hodiny toy ny voamanga ny saosety. Hohanina amin’izao na ampiana voasarimakirana kely ny fihinana azy rehefa masaka. Fomba iray entina hanasitranana “goutte” na aretin-dohalika izy io. Ankoatra izay, azo atao lasary ihany koa izy io. Afangaro ny vinaigitra iray sotro, dipoavatra kely, menaka roa sotro, sira. Voasana sy tetehana lavalava ary endasina amin’ny menaka ny saosety avy eo. Afangaro amin’ny vinaigitra efa voaomana izany avy eo. Marihina fa azo ampiarahana amin’ny voasarimakirana ny fihinanana azy raha ho an’ny olona voan’ny sery.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: