Hotanterahina any Manakara, ny volana jolaly ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja beach soccer, ho an’ity taom-pilalaovana 2024 ity. Io ny fandaharam-potoana navoakan’ny vaomiera misahana ity taranja ity eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny alatsinainy lasa teo. Tsy mbola voafaritra kosa anefa ny daty mazava hanaovana izany.
Tsiahivina fa efa tamin’ny taona 2021 no nisy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara farany. Ho fanomanana izany, hisy Festival hatao any amin’ny faritr’i Sava, ny 13 ka hatramin’ny 19 mey ho avy izao. Marihina fa hitilina ireo mpilalao handrafitra izay ho mpilalaon’ny Barea, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, “CAN 2024”, tanterahina any Egypta, ny volana aogositra ho avy izao, ireo fihaonana roa ireo, araka ny fampahafantarana. Tsiahivina fa tafita amin’izany dingana izany hatrany ny Barea ary efa nandrombaka ny tompondaka ny taona 2015.
Tompondaka