Notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo ny andro fahatelon’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)”, taranja baolina kitra. Misongadina tanteraka ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny, izay laharana voalohany ao amin’ny kaoferansy avaratra, manana isa sivy (9). Farany kosa ny klioban’ny CFFA Andoharanofotsy atsy amin’ny kaoferansy atsimo, isa iray (1). Ny ekipan’ny Fosa, nandresy ny Ajesaia tamin’ny isa 3 no ho 2, ny alahady lasa teo, tany Mahajanga. Lavon’ny Dato FC, 2 no ho 1, ny CFFA tany Manakara, ny faha-25 febroary teo. Tamin’ireo lalao telo nataon’ ireto mpilalaon’i Boeny ireto, fandresena telo no azon’izy ireo. Faharesena roa sy ady sahala iray kosa no azon’Andoharanofotsy nandritra izay fihaonana telo vitan’izy ireo izay. Tsara ny mampahatsiahy fa ny Fosa Junior no tompondakan’ity fifanintsanana ity, farany teo. Raha toa ka tamin’ny taona 2022 ny CFFA no nandrombaka izany. Tsara ny mampahafantatra fa izay efatra mananaisa ambony isaky ny kaoferansy no tafita amin’ny dingana manaraka.
Fitia Randria
Ireo filaharanan’ny PFL :
Kaoferansy avaratra :
1- Fosa Junior (isa 9), 2 – AS Fanalamanga (isa 7), 3 – Asa Diana (isa 7 ), 4 – Tsaramandroso FC (isa 6), 5 – Cosfa (isa 4isa), 6 – Uscafoot (isa 1), 7 – Ajesaia (0),
8 – KFCA Diana (0)
Kaoferansy atsimo :
1- Elgeco Plus (isa 7), 2 – Disciples FC (isa 6), 3 – Mama FC (isa 5), 4 – Inate FC Rouge (isa 4), 5 – Zanakala FC (isa 4), 6 – 3FB Toliara (isa 3), 7 – Dato FC (isa 3), 8 – CFFA (isa 1)