Hampiantrano fifaninanana iraisam-pirenena indray ny federasiona malagasin’ny tennis (FMT). Hotontosaina eto Madagasikara ny fihaonana ho an’ny sokajy zandriny U14, lahy sy vavy «Tournoi circuit Africain 2024».
Hatao eny amin’ny club du Car Ivato, ny “Tournoi circuit Africain 2024”, taranja tenisy, ho an’ny latsaky ny 14 taona, lahy sy vavy. Misokatra ho an’ny firenena rehetra, tsy ny aty Afrika ihany, ity lalao ity. Hanana ny lanjany goavana izy ity satria ankoatra ny fiadiana izay ho tompondaka, hakana isa ary hiadiana filaharana eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina (CAT) koa.
Toy ny mahazatra, hizara roa ny fifaninanana ka ny dingana voalohany hatao ny 24 hatramin’ny 27 marsa, ary ny 28 hatramin’ny 31 marsa ny faharoa. Lalao ho an’olon-tokana ity «Tournoi circuit Africain» ity. Tabilao lehibe ny hanatontosana ny fihaonana, izany hoe, tsy maintsy mahatratra 16 farafahakeliny ny isan’ny mpifaninana. Mivoaka ho mpandresy izay mahazo seta 2 voalohany.
Ambony ny lentan’ity fihaonana ity, noho ny fisian’ ireo mpilalao avy any ivelany. Andrasana, ny fahatongavan-dry zareo Egyptianina sy Afrika Atsimo ary Zimbabwe, manana ny taninketsan’ny tenisy ary mpandray anjara mavitrika.
Raha ho an’i Madagasikara, anisan’ireo manana herijika afaka hiaro ny voninahi-pirenena, Andriamaniraka Soa Ainatia sy i Eliana Mateï ary Raharinjanahary Fanomezantsoa Chrystellah, eo amin’ny tovovavy. Izy ireo izay vao avy nandrombaka ny medaly alimo nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, natao tany Namibia farany teo. Raha ho an’ny lehilahy, eo Razafindrazaka Ny Avo sy Rabarijaona Manoa Sandy miampy an-dRakotomalala Amboara. Tsiahivina fa efa nandray ity “Tournoi circuit Africain” ity i Madagasikara ny taona 2022, ka nandrombaka ny amboara tamin’izany Razafinarivo Mirindra, teo amin’ny vehivavy.
Torcelin