Raikitra ny andiany faha-10, amin’ny fifaninanana Smatchin, izay hatao ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina sy ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny 9 hatramin’ny 17 Marsa izao.
Nitombo ny isan’ny mpandray anjara, amin’ ity andiany ity. Tsiahivina fa 15 no ekipa nifaninana tamin’ny fiandohan’ny fifaninanana, ny taona 2012 ary niakatra tsikelikely izany. Ankehitriny, tafakatra 40 ny isan’ ireo oniversite voasafidy hifaninana, ahitana ekipa 50 ho an’ny sokajy lehilahy ary ekipa 20 kosa, eo amin’ny sokajy vehivavy. Misy ireo oniversite sambany handray anjara amin’ ity taona ity, ahitana ny EMIT (Fianarantsoa), ESTI, HEI, INPF, ISIME ary ONIFRA. Noho ny habetsahan’ny mpandray anjara, nanapa-kevitra ny mpikarakara fa toerana roa no hilalaovana mandritra ny lalao fifanintsanana, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina sy ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Hivadika ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena daholo kosa aorian’izay ny dingana farany, manomboka eo amin’ny ampahefa-dalana. Toy ny fanao isan-taona, hisy ny fifaninanana “Miss&Mister” sy ny fifaninanana dihy. Hisy ihany koa ny fifaninanana Dj sy E-Sport. Ity farany izay hiaraha-miasa akaiky amin’ny mpanohana, Orange Madagascar.
Efa vita ny fizaram-bondrona
Tontosa, omaly, teny amin’ ny Tour Orange Ankorondrano, ny fisarihana sy fizaram-bondrona, ho an’ireo ekipa mpandray anjara. Nozaraina ho vondrona 8 ka ahitana ekipa 5 avy, ny sokajy lehilahy, raha toa ka misy vondrona 5 ahitana ekipa 4 avy, ny eo amin’ny sokajy vehivavy. Lalàna napetraka ihany koa ny tsy tokony hisian’ny mpilalao N1B mihoatra ny 5 ao anatin’ny sekoly iray mba hampifadanja kokoa ny lalao. Fampisehoana ny firaisankina sy ny firahalahiana eo amin’ny samy oniversite ihany koa ny fifaninanana toy izao, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Hisy toy ny isan-taona ihany koa ny loka ho an’ny mpandresy, ka 5 tapitrisa ariary no homena azy ireo, ho an’ny sokajy lehilahy, raha toa ka 4 tapitrisa ariary no hatolotra ny mpandresy ho an’ny vehivavy. Tsiahivina fa nisy ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa, teo amin’ny Orange Madagascar sy ny mpikarakara ny Smatchin, omaly. Hanome fiofanana “Orange digitale” ho an’ny mpianatra, ny Orange, aorian’ity fifaninanana ity, izay haharitra herintaona.
Mi.Raz