Nitohy ny firotsahan’ny orana eto amin’ny faritra Analamanga, tamin’ity herinandro ity. Mitohy tsy ankiato ihany koa ny asa fanadiovana sy fanalalahana ny lakandrano amin’ny faritra iva sy mora tondraka rehetra, hoy ny Apipa. Miakatra ny rano amin’ireny faritra ireny ka miasa isan’andro amin’ny fanalana ny fako mitobaka sy ny tsikafona […]
Mois : février 2024
Tetikasa « IRF tanora »: Nahazo fiofanana ny tanora eny ifotony
Tontosa omaly ny fiofanana nataon’ireo tanora mpitarika avy amin’ny fokontany 32, ato anatin’ny boriborintany enina, eto Antananarivo Renivohitra. Hetsika ao anatin’ny tetikasa “IRF Tanora”, izay vatsian’ny PBF (Peacebuilding Fund) vola. Iarahan’ny vondrona Unicef sy ny PNUD ary ny UNFPA manatanteraka. Misehatra sy miady amin’ny tsy fandriampahalemana eny anivon’ny fiarahamonina ny […]
Fanadinana Bakalorea: manomboka ny fisoratana anarana
Afaka efa-bolana ny fanadinana Bakalorea. Efa fotoana hikarakarana ny antontan-taratasy rehetra izao. Tsy tokony hiandry amin’ny ora farany ny fanaovana izany. Nanomboka ny 13 febroary teo ary hitohy hatramin’ny 26 avrily ny fisoratana anarana ho an’ireo hiatrika ny fanadinana Bakalorea. Nampahatsiahy izany ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa […]
INDRAY MIJERY
Vita ny tobim-pahasalamana an-tsekoly ao amin’ny lycée Nanisana, Cisco Antananarivo Renivohitra. Ahitana fanafody sy fitaovana ilaina amin’ny fandraisana marary ao an-toerana. Ireo mpianatra sy ireo mpampianatra ao amin’ny lycée no hisitraka izany voalohany. Hahazo tombontsoa amin’izany koa ny mpianatra rehetra mpikambana eo anivon’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Secteur efatra, ao amin’ny […]
Tetikasa “Tsinjo Soa”: toeram-pidiovana miisa 2 100 no hatsangana
Mitentina 750 000 dolara ny famatsian’ny USAID ny tetikasa “Tsinjo Soa” amin’ny fananganana ireo fotodrafitrasam-pidiovana miisa 2 100. Haharitra 3 taona ny fanatanterahana izany, iaraha-miasa amin’ny Loowatt Madagascar. Tanjona ny hisian’ny vahaolana momba ny fidiovana ho an’ireo tokantrano sahirana eto Antananarivo. Maro rahateo ireo ankohonana tsy manana toeram-pidiovana akory noho […]