Mois : février 2024

Fanomanana CEPE-BEPC: Mila tolo-tanana amin’ny ray aman- dreny ny lehiben’ny foibem-panadinana

Tsy afa-miandry ny fandefasan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sorabola hikarakarana fanadinana ny tomponandraikitra fa mijery vahaolana miaraka amin’ny ray aman-dreny hampihodinana ny fanomanana. Mbola nanamafy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena araka ny note de service 2024/035/MEN fa tsy andoavam-bola ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC amin’ity taona ity. Tsy izany anefa ny […]

TARATRY ny KANTO

Nodimandry i Narcisse Njava. I Monique Njava no nampita ny vaovao omaly, fa nodimandry ny zo­kin’izy ireo, Narcisse. Tsy tao anatin’ny tarika Njava izy, kanefa kosa anisan’ireo nitari-dalana ireo zandriny teo amin’ny mozika. Anisan’ny hirany malaza ny “Ilay taratasinao”. Manan-talenta sy feo miavaka izy, raha ny filazan’i Mamy Gotso. “Hihira […]

Mpihira, mpitendry gitara beso : manohy ny lalana nosoritany i Tasha

“Ho lasa lavitra ity tovovavy ity…” Teny nivoaka tamin’ny vavan’ny mpankafy mozika iray, nijery ny sehon’ny tarika Naday indray andro io. I Tasha Randrianarilalaina ilay tovovavy. Izy no mpitendry gitara beson’ny tarika tamin’izany. Efa nanoritra ny lalany ity mpanakanto ity, taorian’ny fiarahany tamin’ny Vooots Kongregation izay tarihin-dry Rolf sy ny […]

« L’Amour en mots » : hatsikana sy Slam no hamaranana ny hetsika

Mifarana anio, eny amin’ny Alliance française d’Anta­nanarivo (AFT) Andavamamba, ny «Festival des Livres Romantiques : L’Amour en mots». Hetsika maro samihafa no hita teny an-toerana nandritra ny fotoana nanatontosana ny hetsika, ary mbola hisy izany amin’ity anio ity. Anisan’ny ho hita ao anio ny seho hatsikana, iarahana amin’ny Rire Délire, […]

Mivelatra fa poakaty : miha maivan-danja sy very hasina ny kolontsaina malagasy

Manana ny maha izy azy ny kolontsaina malagasy. Tsy voatery ho endrika ivelany ihany fa na ny fanahy nentina namorona sy nanehoana azy aza, mampivanaka olona maro… Arakaraka ny ivelaran’ireny kolontsaina ireny anefa no mamery hasina azy ankehitriny. Ianarana amin’ny «internet» io dia vita ! Mahatratra aman’alina izao ny mpikambana […]