Mois : février 2024

FANTINA sy FINTINA

Zava-dehibe ny fandrafetana paikady vaovao hiadiana amin’ny kolikoily, araka ny nambaran’ny filohan’ny Kaomity ho amin’ny fitandroana ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, tamin’ny fitokanana toeram-piasana eny Andohatapenaka, afakomaly. Tapitra amin’ity taona ity ny folo taona, 2015-2025, tamin’ny paikady farany, ka mila jerena ny zava-bita hiheverana ny fanamby vaovao. Voafaritra ho 20 […]

Filohan’ny Sénat tany Maroc : niantso ny mpampiasa vola ho aty Madagasikara

Nahazo fanasana manokana hanatrika ny fihaonamben’ny filohan’ny Antenimie­randoholona avy aty Afrika sy i Amerika Latinina ary ny vondron-tany arabo, izay natao tany Rabat, Maroc, afakomaly ary nifarana omaly, ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard, nitarika ny delegasiona malagasy nahitana ny kestoran’ny Antenimierando­ho­lona, ny loholona Fernand Eddie Serge. Tanjona ny […]

Mila fanarenana…

  Mampitampim-bava sy mampiteny ny moana ny tsy fandriampahalemana amin’izao. Ny olon-dratsy ve no mihamaro sy mihamatanjaka sa ny fanjakana, amin’ny alalan’ny mpitandro filaminana, ohatra, no tsy maharaka? Na tsy hita loatra ny hoe fanjakana manakaiky vahoaka. Toy izany koa ny hoe mpitandro filaminana miaro ny vahoaka sy ny fananany. […]

TSELATRA

Raim-pianakaviana iray sy vehivavy iray samy azon’ny tsy fahasalamana namoy ny ainy tao amin’ny Hopitaly Androva, omaly. Andro vitsy lasa, nentin’ny tsara sitrapo teny anivon’ny hopitaly ilay lehilahy nefa izao maty izao. Vehivavy iray koa nindaosin’ny fahafatesana, omaly. Niverenan’ny jiolahy novakiana indray ny fasana iray tao amin’ny fokontany Ampananina, kaominina […]