Hotanterahina ny 20 ka hatramin’ny 23 jona izao ny Tsena iraisam-pirenena momba ny asa tanana eto Madagasikara, “International Handicraft Fair Madagascar (IHM)” andiany voalohany, hoy ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriamandranto Joël, omaly, teny Tsimbazaza. Hitovy amin’ny hetsika amin’ ny International Tourism Fair Madagascar (ITM) ny IHM, […]
Mois : février 2024
VAOVAO TAMBATRA
Ho tratra ny vina fampidinana ny tahan’ny sondrom-bidim-piainana manodidina ny 7,6% raha tanteraka ny vina napetraka ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana. Misy narafitra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2024 ny ampahan’ireo vina ireo, toy ny famarinan-toeran’ny vidin-tsolika, ny famadihana ny volamena ho “or monétaire”ary ny fampiroboroboana ny vokatra anatiny. Miisa 259 850 ireo […]
Lalan-dratsy : niverina ny fifamoivoizana amin’ny RN5
Tapaka omaly 13 febroary maraina, ny lalam-pirenena RN5, PK 97+900, mialoha ny hidirana ny tanànan’Antanambao Sahorana, distrika Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo. Nisy lavakabe niforona teo amin’ny lalana, vokatry ny rotsakorana nisesy. Nandray fepetra avy hatrany ny Fitantanana manohana ny asa vonjy taitra (DAU) ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) ka […]
Indostria: niova ho Alpha Ciment S.A ny Cementis Madagascar
Hampihena ny fanafaran’i Madagasikara simenitra ny Alpha Ciment S.A ary hamokatra hatrany amin’ny 1 tapitrisa taonina isan-taona. Manomboka izao, hitondra ny anarana Alpha Ciment S.A ny Cementis Madagascar. Novidin’ny vondrona maorisianina Gamma Civic LTD, miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy, Cemendo Gemiland, avy any Indonezia, ity ozinina mpanao simenitra eto Madagasikara ity. […]
Fitsaboana Mercy Ships : natsahatra aloha ny fisoratana anarana
Natsahatra aloha ny fandraisana ny anaran’ ny olona te hisitraka ny fandidiana ao amin’ny sambo Mercy Ships, any Toamasina, 12 andro taorian’ny nahatongavany. Efa aman-jatony maro isan’andro ny olona mivezivezy eny amin’ny hopitaly manara-penitra, raha ny zava-misy. Mihevitra ny hisoratra anarana ahafahana misitraka fitsaboana avokoa ireo olona ireo. Hatramin’izao, mbola […]