Mois : février 2024

SOMBIM-BAOVAO

Mitazona ny laharana voalohany hatrany ny GNVB vehivavy amin’ny fifaninanan’Analamanga, taranja volley-ball. Lavon’izy ireo tamin’ny seta 3 no ho 1 ny ekipan’ny Squad 1, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsara ho fantatra fa tsy mbola resy mihitsy ireto ekipan’ny zandarimariam-pirenena ireto. Notontosaina nanomboka ny 10 febroary lasa teo ny fiadiana […]

Tsipy kanetibe : hanomboka ny volana marsa ny fifaninanana

Hotanterahina ny 2 hatramin’ny 3 marsa ho avy izao, eto Antananarivo, ny fifaninanana ho fanamarihana ny fisokafan’ny taom-pilalaovana 2024, taranja tsipy kanetibe. Ankoatra izay hisy fifaninanana nasionaly efatra hotontosaina amin’ity taona ity. Anisan’izany ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, izay hatao any Antsirabe, ny 5,6 ary ny 7 avrily ho avy […]

Kitra – “JO 2024” : tsy anisan’ireo tafita i Brésil

Nitranga ny tsy nampoizina, tsy anisan’ireo handray anjara amin’ny « lalao Olympika, JO 2024”,  tanterahina any Paris France, ny Seleçaon’i Brésil, taranja baolina kitra, sokajy lehilahy. Tsy nahazo ny tapakila hiatrehana izany ry zalahy, taorian’ny fifanintsanana ho an’ireo firenena any amin’ny tapany atsimon’i Amerika. Raha tsiahivina, tompon’ny medaly volamena farany ry […]

Motocross – Mada 2024 : fandresena fanindroany ho an’i Mathias Plantive

Nisongadina indray ilay Malagasy mpilalao moto, i Mathias Plantive, nandritra ny fifaninanana nasionaly natao tany Antsirabe, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanjakan’i Mathias Plan­tive indray ny dingana faharoan’ny fifaninanana nasionaly, taranja Moto Cross, sokajy “élite 1”, izay notanterahina tany Antsirabe, ny alahady 11 febroary lasa teo. Laharana voalohany ny tenany, […]

INDRAY MIJERY

Nohamafisina ny fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitra ara-bola misahana ny fahasalamam-bahoaka mifandraika amin’ireo fandaharanasa telo, ny tiberkilaozy, ny tazo ary ny VIH/Sida. Tanjona ny hikatsahana hatrany ny fahombiazan’ireo faritra hiasan’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena (fond mondial). Hiompana amin’ny karazan-tsakafo sahaza ireo olona diabetika indray ny fampianarana hatao eny amin’ny Amadia faravohitra, ny sabotsy izao. Maro […]