Mois : février 2024

Ora-nikija tao Toamasina : olona iray namoy ny ainy

Raim-pianakaviana iray no natelin’ny reniranon’Ivoloina efa ho telo andro izay, raha niampita nandeha an-tongotra teo Sahandahatra, distrikan’i Toamasina II, ny sabotsy 10 febroary tolakandro. Mbola tsy hita popoka izy hatramin’ny omaly, raha ny tatitra voaray avy any an-toerana. Ny alatsinainy maraina hatramin’ny omaly kosa, rotsakorana tsy an-kiato no hita tao Toamasina […]

Namearison Robert : “Tokony ho amin’ny aogositra ny fifidianana kaominaly”

Manoloana ny tetiandro navoakan’ny Ceni, nitondra ny heviny ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert. “Tokony ho amin’ny aogositra ny fifidianana kaominaly”, hoy izy. «Ny mampanahy ke­ly : nahoana no volana novambra ny fifidianana kaominaly?» Io ny fanontanian’ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabea­zana olom-pirenena, i Namea­rison Robert, manoloana ny volavolana […]

ONG Tolotsoa : “Tsara ny fanasarahana fifidianana roa”

“Ho anay, efa nisafidy ny eo anivon’ny fitondram-panjakana fa mahazo manohy ny asany ny ben’ny Tanàna amin’izao fotoana izao. Anjaran-dry zareo ny misafidy izay fifidianana hatao mialoha”, hoy ny mpiandraikitry ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat, momba ny fiatrehana fifidianana. Iny navoakan’ny Ceni […]

Ambohidratrimo : jiolahy nanafika mpamongady

Teo am-pikasana hanafika mpamongady iray ao amin’ny fokontany Anjomakely, kaominina Ambatolampy Tsi­ma­hafotsy, afakomaly alina, no nifanehatra tamin’ny zandary ny andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Nanao ny asa fisafoana toy ny fanaony mahazatra ireo zandary no nahatsikaritra io andian-jiolahy eo am-piomankomanana hanao fanafihana tranombarotra io. Raikitra ny fifanenjehana satria nanapoaka basy […]