Nisokatra nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 18 febroary 2024, ny “Rencontres internationales des peintures de Ouagadougou (Ripo) andiany fahadimy. Hetsika iraisam-pirenena eo amin’ny hosodoko, karakarain’ny Association pour la promotion des arts plastiques (APAP). Mpahay kanto miangaly ny hosodoko miisa 40 avy amin’ny lafivalon’ny tany no mandray anjara […]
Mois : février 2024
“Reko Tour 2024” : hiara-dalana ny fampisehoana sy ny fanabeazana
“Hafa mihitsy”, araka ny hirany ity tarika iray ity… Miezaka tsikelikely amin’ny herin’ny tenany, mitondra ny anjara birikiny ho an’ny fiarahamonina ary manana fijery lavitra… hozarainy mandritra ny “Reko Tour 2024”. 5 taona izay… 5 taona nizarana ny mozikany ny Reko. 5 taona nametrahany ny tanjona ka nahitany ny lalan-kombana […]
Andro iraisam-pirenena ho an’ny onjampeo: fitaovan-tserasera maro mpankafy sy fampitam-baovao
Nomarihina omaly, ny andro maneran-tany ho an’ny onjampeo. Nisy ny fandaharana manokana nitambaran’ireo mpiasan’ny radio rehetra tao amin’ny Radiom-pirenena malagasy (RNM), omaly atoandro. Nifandrombonan’ny mpanentana amin’ny radio samihafa avy eto Antananarivo. “Ny radio: manamarika ny lasa, mampitoetra ny ankehitriny, fanoitry ny ho avy”, io ny lohahevitra nentina nanamarihina izany, tamin’ity […]
FANTINA sy FINTINA
Notendren’ny papa Fransoa ho evekan’ny diozen’i Morombe, afakomaly, ny pretra diosezianina avy any Toliara, monpera Razafinirina Jean-Désiré. Mpanabe tao amin’ny seminera zokiny, Vohitsoa Fianarantsoa, izay seminera iombonan’ny arsidiosezy, Atsimo Atsinanana sy Atsimo Andrefana, izy, ny taona 2013. Rektoran’izany izy tamin’ny taona 2017 hatramin’izao nanendrena azy izao. Tafakatra 11 421 765 ny voasoratra […]
Kolektifa an’ny Malagasy : « Mitady vahaolana izahay »
Nampahafantarina omaly, teny amin’ny Hotel Louvre Antaninarenina, ny fijoroan’ny Kolektifa an’ny Malagasy. Nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety no nampahafantarana izany. Araka ny nambaran’ny mpikambana eo anivon’ity vondrona ity, ny “Collectifs des Candidats” no nivadika ho Kolektifa an’ny Malagasy. Tsy an’ireo kandidà nilatsa-kofidina ho filoham-pirenena intsony izany fa natao […]