Nahatratra 625 516 kilao ny fitambaran’ny masomboly vary nozaraina ho an’ny tantsaha miisa 56 516 manerana ny Nosy, ny volana novambra 2023 hatramin’ny febroary 2024 izao. Nilanja 111 726 kilao koa ny masomboly soja notsinjaraina, raha 260 821 kilao ny voanjo. Manampy ireo ny zezika organika milanja 5 479 740 […]
Mois : février 2024
Banky iraisam-pirenena: Vao mainka hahantra ny ampahatelon’ ny mponina amin’ity 2024 ity
Navoitran’ny tale jeneralin’ny Banky iraisam- pirenena, Rtoa Anna Bjerde, fa tratry ny hanoanana ny 60%-n’ny vehivavy sy ny ankizivavy mandritra ity taona 2024 ity. Tsy mifandanja ny fahazoan’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny tsenan’ny asa, ka mila arenina. Naneho hevitra ny tale jeneraly, DG-n’ny asa ao amin’ny Banky iraisam-pirenena […]
TARATRY ny KANTO
Mitohy ny lalan’i Ken. Taorian’ny nialany tsy ho mpikambana ao amin’ny tarika Mage 4 intsony, efa nanambara i Ken fa hanjohy lalan-kafa amin’ny mozika. Maro ireo tsindriandaona te haheno ny karazana mozikany, ka hamoaka hira telo avy hatrany izy, «Baikon’ny fo», «Ry fanadinoana» ary «Saw lany». fantatra fa hivoaka amin’ […]
Kabary malagasy : hankalaza ny faha-60 taonany ny Fimpima
Hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny 15 Febroary ho avy izao ny ivon’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny fikambanan’ ny Mpikabary malagasy maneran-tany (Fimpima). Hatao etsy amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy etsy Tsimbazaza ny lanonana. Hotolorana mari-boninahitry ny kanto avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (mpiahy ny hetsika), ireo mpikabary nahafeno fepetra. […]
« Saint Valentin » : manan-tsafidy maro ireo mpifankatia
Herinandro ho an’ny mpifankatia. Satria tsy rahampitso fotsiny fa hatramin’ny alahady dia hisy hetsika maro hanamarihina ny « Saint Valentin ». Manan-tsafidy amin’ny endriny sy ny karazany izay hankalaza izany. Tsy hiverenantsika ny nahalasa ho fetin’ny mpifankatia ny « Saint Valentin ». Fa ny iraisana maneran-tany aloha dia natokana ho azy ireo ny andron’ny 14 feroary. Nianjera ho […]