Inspektera eo anivon’ny polisim-pirenena miisa 219 nahatontosa fianianana tetsy amin’ny fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy, omaly. Misahana manokana ny famotorana ny fandikan-dalàna izy ireo. Hiroso amin’ny asa avy hatrany izy ireo taorian’io lanonam-pitsarana io. Nalain’ny dahalo avokoa ny nofon’omby rehetra ary nariany teny an-dalana ny toalany ka hitan’ny fokonolona tao Antamboho […]
Mois : février 2024
Morondava: tratra ny jiolahy nanafika sinoa mpandraharaha
Saron’ny polisy ny jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana teratany sinoa mpandraharaha tao Nosikely Morondava, ny sabotsy 10 febroary 2024 lasa teo. Nisy trangana fanafihana tao amina tokantrano iray ao Nosikely. Jiolahy telo niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana no voalaza fa niditra an-keriny tao an-tranon’io teratany sinoa io. Nahazo ny angom-baovao rehetra momba izany […]
Nanota fady : olona natelin’ny ranomasina tao Toamasina
Raim-pianakaviana 58 taona no natelin’ny ranomasina tao Toamasina, ny sabotsy teo. Mbola tsy nipoitra avy ao anaty rano ity niharam-boina ity taorian’ny fikarohana nataon’i Lalaina zanadrano, ilay tovolahy mpisitrika manavotra olona natelin’ny ranomasina. Ireo mpaka sary eny amoron-dranomasina no nahatsikaritra entan’olona mipetraka eo amoron-dranomasina ka samy nifanontany teo. Sakaosy niaraka […]
Herisetra amim-behivavy : voasambotra ilay lehilahy namono ny vadiny
Naratra mafy vokatry ny daroka sy vono nataom-badiny ny vehivavy iray tetsy Ankaraobato. Tratran’ny mpitandro filaminana ilay lehilahy nahavanon-doza. Mirongatra tato ho ato ny fifampikasihan-tanana ataon’ny samy mpivady. Lehilahy iray indray no voasambotra tao amin’ny fokontany Ambodivoanjo, kaominina Ankaraobato, afakomaly maraina. Nidaroka sady nandratra ny vadiny, notanan’ny mpitandro filaminana ny raim-pianakaviana iray. Naharay loharanom-baovao […]




