Mieritreritra ny ankamaroan’ny olona, indrindra ny tanora ankehitriny, fa fandaniam-potoana ny fanorona. Kilalaon’ny tsy manan-katao. Variana amin’ny lalao nampidirin’ny vahiny toy ny hazakazaka vitsika, ludo… izy ireo. “Efa mitady ho faty ny kilalao fanorona eto Madagasikara satria ny mpitandro filaminana mihitsy no mandrava izany eny an-dalana eny”, hoy i Herindrainy Jean Patrick, filohan’ny […]
Mois : février 2024
FANTINA sy FINTINA
Nisy ny fihaonana teo amin’ Andriantsitohaina Naina, minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany, sy i Claire Pierangelo, masoivohon’i Etazonia, ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny famelomana indray ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta eo amin’ny fiarovana ny tany sy fanavaozana ny fananan-tany no votoatin-dresaka tamin’izany. “Be kajikajy politika loatra […]
Fiatrehana fifidianana: miantso ny olom-pirenena hifidy ny FFKM
Miantso ny olom-pirenena hanatona ny biraom-pokontany ny FFKM ary hanamarina ny rejisitra, raha voasoratra ny anaran’ny tena sy ny ankohonana na tsia. Araka ny antso nosoniavin’ny filoham-piangonana efatra, ny 5 febroary lasa teo izany. Notsiahivin’izy ireo fa araka ny hafatry ny komity foibe faha-45 tany Fianarantsoa, ny 28-30 novambra 2023, […]
Mila miara-miasa…
Efa am-perinasa tanteraka ny fahefana mpanatanteraka amin’izao? Mandeha ny fidinana ifotony: fijerena ny olan’ny vahoaka, famahana olana. Miara-dalana amin’izany ny fampandrosoana mivantana; eny, na eo aza ny lafiny politika tsy maintsy atrehina: fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, fifidianana depiote. Mila fandaminana be eo anivon’ny antoko politika izany. Na izany […]
Fifidianana: ny 29 mey ny depiote, ny 6 novambra ny kaominaly
Namoaka ny volavolana tetiandrom-pifidianana ny Ceni, omaly, teny Alarobia. Ny 29 mey ny fifidianana solombavambahoaka ary ny 6 novambra ny ben’ny Tanàna. “Ny 29 mey ny fifidianana solombavambahoaka, ny 6 novambra ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina kaominaly na monisipaly”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, omaly, […]