Namboly hazo teny amin’ny kaominina Ambalavao Atsimondrano ny tily Mpanazava eto Analamanga, ny sabotsy 10 febroary teo. Hetsika fanaon’izy ireo isan-taona izany, ka samy nanatanteraka ny azy daholo ny isam-paritra eto amintsika. Lohahevitra noraisina, tamin’ity taona ity, ny «Fiovan’ny toetr’ andro». Nahazo fitaovam-panjonoana ny mpanjono sy ny vadina mpanjono any […]
Mois : février 2024
Fanampiana japoney: fitaovana fanaovan- dalana ho an’ny MTP
Ankoatra ny fitokanana ny tetezan’i Mangoro Moramanga vaovao, ny 9 febroary teo, nanolotra fiarabe sy milina fanamboaran-dalana ho an’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) ihany koa ny fanjakana japoney. Nandray ireo fanomezana ny filoha Rajoelina Andry, niaraka tamin’ny minisitry ny Asa vaventy, ny kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah, sy ny masoivohon’i Japana, […]
Famatsiam-bola vahiny: hafainganina ny famoaham-bola
Tsy ampy ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny fifanarahana amin’ny findramam-bolan’ny fanjakana amin’ny any ivelany. Mavesatra ny pitsompitsony amin’ny fanaovana ny fandaniana sy ny fampanarahan-dalàna ny fanatanterahana azy. Ambany ny tahan’ny famoaham-bola amin’ny fanampiana ara-bola avy any ivelany, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF). Antony, mavesatra ny […]
Fifampikasohana herinaratra: trano fivarotana dimy kilan’ny afo
Nitrangana haintrano mahatsiravina tao amin’ny fokontany Analankinina Hopitaly Be, eo amin’ny “Rond point ” ambody tetezana Tanamakoa, ny zoma 9 febroary, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. “Efa ela izahay no nampandre ny Jirama fa matetika misy manjelanjelatra na mitselatselatra ny tariby mitondra herinaratra amin’ io andrin-jiro io fa tsy […]
Ambohimangakely : mpamaky trano voasambotra
Tratran’ny fokonolona niray hina ny mpamaky trano iray tao Antsahamalaza, fokontany Betsizaraina, kaominina Ambohimangakely, omaly. Nivoaka antsokosoko tao amin’ny tokantrano iray anatin’io fokontany io ilay mpangalatra. Tsikaritry ny mponina manodidina anefa ny fihetsiny hafahafa. Nitondra kitapo mainty rahateo izy ka niantsoantso ny mponina. Nanao tongotra an-katoka avy hatrany anefa ilay […]