Tratran’ny fokonolona niray hina ny mpamaky trano iray tao Antsahamalaza, fokontany Betsizaraina, kaominina Ambohimangakely, omaly. Nivoaka antsokosoko tao amin’ny tokantrano iray anatin’io fokontany io ilay mpangalatra. Tsikaritry ny mponina manodidina anefa ny fihetsiny hafahafa. Nitondra kitapo mainty rahateo izy ka niantsoantso ny mponina. Nanao tongotra an-katoka avy hatrany anefa ilay mpandroba. Niezaka handositra ny fokonolona ity farany. Nifandrimbona nanara-dia azy ireo mponina nanodidina ny trano lasibatra ka voasambotra io lehilahy io. Nosavain’ny mpanara-dia, tratra teny amin’io jiolahy io ny telefaonina, vilany telo niampy vola 200 000 Ar. Nandositra ny namany roa hafa izay efa hitan’ny fokonolona nihaodihaody teny anivon’ny fokontany talohan’ny fandrobana. Nidaroka io mpangalatra io ny sasantsasany tamin’ireo nahasambotra azy noho ny hatezerana. Nataon’ny mpitandro filaminana fanadihadiana, nibaboka ilay mpangalatra fa avy eny Amboditsiry TanaV. Mitohy ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba aminy. Tsiahivina, vao ny fiatombohan’ny volana febroary teo no nahafatesan’ny zandary ireo dahalo telo lahy nikasa haka an-keriny teratany vahiny teny amin’ny manodidina an’i Betsizaraina
Tsiferana R.




