Mois : février 2024

Fantina sy fintina

Haka fanapahan-kevitra tsy ho ela ny fitondrana momba ny fifidianana ben’ny Tanàna sy depiote, araka ny nambaran’ny Praiminisitra teny Tsimbazaza, afakomaly. “Hiaraha-midinika amin’ny Ceni izany. Horaisina ny fanapahan-kevitra aorian’izany“, hoy izy.   Efa eto an-tanindrazana ary nandray ny ambasadaoron’i Inde ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, omaly. Nanolotra  « Panneaux solaires […]

Praiminisitra Ntsay Christian: “Vonona hanatanteraka ny vinan’ny filoha ny governemanta”

Hanao ahoana ny fe-potoam-piasana faharoa amin’izao fitondrana izao? Vonona hanatanteraka ny vinan’ny filoha amin’ny alalan’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny  governemanta.   “Amin’izao fe-potoam-piasana 2024-2028 izao, laharaham-pahamehana hanatrarana ny taham-pampandrosoana eto Madagasikara ny fampihenana ny fahantrana, ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny vahoaka, ny famoronana asa, ny fanatsarana ny fitantanana, ny fanamafisana ny […]

Hahita ny tsy fahita

Neken’ny parlemanta ny tolo-dalàna famaizana ny mpanolana. Dia hahita ny tsy fahita, hiaina ny tsy fiaina izay tra-tehaka manao izany. Hiditra amin’ny famosirana simika atao amin’ny filahiana i Madagasikara, afaka fotoana fohy. Iza re ny lehilahy haniry izany e? Mba hampiova ireo zatra ny lalan-dririnina amin’izay ity lalàna vaovao ity. […]

Vono olona: ankizivavy 14 taona hita faty tao anaty tatatra

Fatim-behivavy iray nifangaro tamin’ny fako, tao amin’ny lakandrano ao Antarandolo, Fianarantsoa, omaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra tongotr’olona nipoitra teo amin’ny fako anaty rano. Nitangorona ny manodidina nijery ny zava-nisy. Niantso ny tomponandraikitry ny fokontany sy ny mpitandro filaminana izy ireo. Nakarina tao anatin’ny ranom-potoka io vatana mangatsiaka io. Ankizivavy vao […]

Loza an-dalamby: niampy iray ny maty tao Manakara

Niampy iray indray ireo olona maty tamin’ilay loza an-dalamby tao Manakara, ny alarobia teo. Vehivavy iray 20 taona namoy ny ainy tao amin’ny hopitaly nitsaboana azy. Tafakatra efatra, araka izany, ireo olona maty tamin’ity lozam-pifamoivoizana an-dalamby ity. Teo anelanelan’i Fenoamby sy Sahasinaka, distrikan’i Manaraka, no nitranga ny loza tamin’io fotoana […]