Nigadona ao amin’ny seranan-tsambon’ i Toamasina, afakomaly maraina, ny sambo lehibe fitsaboana antsoina hoe « Mercy Ships ». Handray an-tanana sy hitsabo maimaimpoana ny marary, mandritra ny roa taona hijanonany ao an-toerana izy io. Hifantoka amin’ny fandidiana amin’ny endriny maro samihafa. Toy ny karazan’ aretina fivontosana, katarakta, “hernie”, bingon-tongotra na tanana, sima […]
Mois : février 2024
Minisitra Fomendraza Haingo Elisette: naneho firaisankina tetsy amin’ny HJRA
Nitsidika sy namangy ilay tovovavikely vao 5 taona monja naolan’ny zokiny ka manaraka fitsaboana etsy amin’ny HJRA, ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Fomendraza Haingo Elisette, tamin’ity herinandro ity. Marary sy mijaly izy, simba ny hoaviny, mampalahelo satria zokiny lahy 21 taona no nanao izany. Rehefa naheno izany ny […]
Fametahana lalana rarivato Hanofana tanora 800 ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa
Miteraka rohim-pihariana ny famakiana vato ka ho lasa asa fiveloman’ny tanora vita fiofanana omen’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Hisitraka fiofanana avokoa ny faritra rehetra hitondra fampandrosoana amin’ny fanatsarana ny lalana ho lasa rarivato (pavé). Manana toerana ahitana vato betsaka i Madagasikara. Azo havadika ho rarivato, hanamboaran-dalana izany ka […]
Indray mijery
Hiverina ny oram-baratra manerana ny Nosy manomboka rahampitso hatramin’ny alatsinainy. Ambany, amin’ny ankapobeny, ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra teto Antananarivo, nandritra ity herinandro ity. Ho an’ny telo andro ho avy, vinavinaina ho ambany, amin’ny ankapobeny, ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra. Tonga teny amin’ny “Amphithéâtre Ampefiloha et Annexes” ny tomponandraikitra androany zoma 2 […]
Taratry ny kanto
Da-Hopp eny amin’ny Caesar Grill. Manohy mizara ny”Rap mandrakizay” hatrany ry zalahy… Manome fotoana ireo mpankafy ny rap gasy, na tanora na tanora zokiny, eny amin’ny Ceasar Grill Soanierana, ry Ben-J sy ny tariny anio, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Fotoana fanararaotra ho an’ireo mpiondana elaela tsy nihaona, mandra-pisian’ny seho […]




