Miatrika fivoriana any Johannesburg Afrika Atsimo, hatramin’ny anio 29 febroary, ireo rafitra mpikarakara fifidianana amin’ireo firenena miisa 18, mpikambana eo anivon’ny Sadc. Anisan’ny miatrika izany any an-toerana ny mpikambana eo anivon’ny Ceni, tarihin-dRazafimamonjy Laza. Anisan’ny hiompanan’ny fihaonana amin’izany ny torolalana eo amin’ny haitao ara-kajy mirindra sy ny tambajotran-tserasera amin’ny fiatrehana […]
Mois : février 2024
Kolektifa an’ny Malagasy : mitaky mangarahara amin’ ny Ceni
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Kolektifa an’ny Malagasy, omaly. Hentitra ny fitakian’izy ireo. “Mitaky ny hisian’ny mangarahara izahay”, hoy izy ireo. Anisan’ izany ny tokony hamoahan’ny Ceni ny marina sy ny mangarahara ho azon’ny rehetra vakina sy arahina ny tatitra manoloana ny fanambaran’ny eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina (UE), momba ny […]
Ravololomanana Lalatiana: “Nahavita be ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina”
Nitatitra ny zava-bita fony fitantanan’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, ny mpanolontsaina Ravololomanana Lalatiana, omaly tetsy Besarety. Niaiky izy fa betsaka ny ezaka vita teto Antananarivo Renivohitra. Na izany aza, nambarany fa tsy afa-po ny tenany ary na ny mponina koa aza noho ireo asa tsy mbola hatao sy ny efa […]
Mitaraina ny mpianatry ny Enam: lasan’ny mpanao politika ny toerana
“Tsy mirona amin’ny politika izahay, fa ny teknika ananan’ny tsirairay ny fahaizana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Sintoninay ny sain’ny tomponandraikitra mba hametraka ireny olona ireny amin’ny toerana tokony ho sahaza azy”. Io no fanazavan’ny Filoham-boninahitry ny Fikambanan’ny mpianatra nahavita fianarana teny amin’ny Sekolim-pirenena momba ny fitantanan-draharaham-panjakana (Enam), ny Me Rasoloson Hery, amin’ny […]
Rakotondrazafy Lalatiana : “Hajaina ny fanapahan’ny HCC”
“Hajaina amin’ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), satria izay no Lalàmpanorenana manankery ary firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara. Tsy olon-kafa ivelan’ny firenena malagasy no mandidy manapaka momba ny lalàna ampiharina eto amin’ny firenentsika”. Io ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny governemanta, ny minisitra Rakotondrazafy Lalatiana, omaly, manoloana ny tsikeran’ […]