Mitaraina ny mpianatry ny Enam: lasan’ny mpanao politika ny toerana

“Tsy mirona amin’ny politika izahay, fa ny teknika ananan’ny tsirairay ny fahaizana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Sintoninay ny sain’ny tomponandraikitra mba hametraka ireny olona ireny amin’ny toerana tokony ho sahaza azy”. Io no fanazavan’ny Filoham-bo­ni­nahitry ny Fikambanan’ny mpianatra nahavita fianarana teny amin’ny Sekolim-pirenena momba ny fitantanan-draharaham-panjakana (Enam), ny Me Rasoloson Hery, amin’ny hoe lasan’ny mpanao politika ny ankamaroan’ny toerana tokony ho an’ireo nahavita fianarana amin’izany. Ilana teknisianina ny fampandrosoana ny firenena, fa tsy politika fotsiny. Izay no ivondronan’izy ireo hahazoana manome soso-kevitra sy vaha­o­lana ary mandray anjara
amin’ny fitantanana. Toerana politika no tokony hotazonin’ny manana traikefa amin’ny fitantanana, nefa lasan’ny mpanao politika. Tokony haravona izay. Misy mpitsara ireo mpiofana, do­kotera, tale jeneraly… Ma­na­na ny fahaizany sy ny traikefany izy ireo, tokony handraisan’ny fanjakana izay ho tomponandraikitra amin’ny fitantanana.

R. Nd.

Partager sur: