Mois : février 2024

Fiombonambe iraisam-pirenena : hisy fanampiana ho an’ny PGE sy ny fifidianana

Anatin’ny fanatanterahana ny vina sy ny drafitrasa tanteraka ny governemanta, ankehitriny. Efa mahazo ny fankatoavana sy fanampian’ny fiankaviambe iraisam-pirenena rahateo izany. “Zavatra roa lehibe no nodinihina. Ny iray voalohany momba ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE)”, hoy ny Prai­minisitra Ntsay Christian, nanazava ny amin’ny fiaraha-midinika voalohany, taona 2024, teo amin’ny governemanta […]

Ambohijanaka: jiolahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Matin’ny daroka nataon’ny fokonolona nahasambotra azy ny jiolahy iray tratra teny Tsilazaina, kaominina Ambo­hijanaka, ny alin’ny zoma 23 febroary teo. Nanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’io fokontany io ny jiolahy miisa dimy. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo. Nifarimbona sy nifanome tanana ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana nanakana ny asa […]

Mitentina 19 296 000 000 Ar : Cocaïne 64,32 kg tratran’ny Polisy

Nahatrarana rongony mahery vaika “cocaïne” milanja 64,32 kg ireo telo lahy voasambotry ny polisy tao Androranga Toamasina, ny 19 febroary teo. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa misy olona mikasa hanaparitaka io kazaran-java-mahadomelina mahery vaika io tao an-toerana. Nidina ifotony nanao ny fisavana izy ireo. Tratra tao amin’ny toerana fametrahana entana […]

Nandroba basy sy grenady: 49 mianadahy naiditra am-ponja

56 mianadahy ny voasaringotra tamin’ny fandorana ny borigadin’Ankazomiriotra. Naiditra vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny 49 mianadahy. Efa nisy basy iray tafaverina. Nitotaly 56 ny olona voasambotra sy nanaovana famotorana momba ny fandorana ny tobin’ny borigadin’ny zandary ao Ankazo­miriotra, distrikan’i Mandoto. Niakatra fampanoavana izy ireo, afakomaly. Vokany, notanana vonjimaika ao amin’ny […]