Mois : février 2024

Orange- « Can 2023 » : norombahin’i Kiniviavy Laurencia ny lokabe

Totontosa ny alarobia lasa teo, teny Ankorondrano, ny fanomezana mari-pankasitrahana ho an’ireo olona nandray anjara tamin’ny lalao « Tous Buteurs », izay nokarakarain’ny Orange Madagascar, nandritra ny “Can 2023”. Lasan’ i Kiniviavy Laurencia, mpanjifa avy any Atsiranana, ny lelavola 1 tapitrisa Ar. Marihina fa izy no nahazo ny laharana voalohany tamin’ity fifaninanana […]

“Ligue des Champions 2024”: hanalavela ny Bayern sy ny Arsenal

Nifarana ny alarobia lasa teo ny lalao mandroson’ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eo­ropa, « Ligue des Champions 2024 (LDC) », taranja baolina kitra. Azo heverina fa hafana ny fihaonana miverina amin’ity fifaninanana eoropeanina ity. Hanalavela any amin’ity fifanintsanana ity ny Bayern Munchen, Allemagne sy ny Arsenal FC, Angleterre. Tsiahivina […]

Fanabeazana skotisma: natao ho an’ny fikatsahana ny mahasoa ny tena sy ny firenena

Zava-dehibe eo anivon’ny skotisma maneran-tany ny andron’ny 22 febroary. Fotoana ankalazana ny fahatsiarovana ny nahaterahan’ny mpamorona ny skoto, i Baden Powell. Anisan’ ny mankalaza iza­ny ihany koa i Madagasikara. Natokan’izy ireo ho Andron’ny mpamorona moa izany fankalazana izany. 100 taona ny nahatongavan’ny skotisma teto Madagasikara. Misy ny skoto katolika, ahitana ny Antilin’i Madagasikara ho […]

FANTINA sy FINTINA

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny fanomezana alalana ny minisiteran’ny Fitsarana hampiasa tetibola ahazoana mandray mpianatra ho mpirakidraharaha 250 sy mpianatra ho mpitsara 150 ao amin’ny Sekolim-pirenena manofana ho mpitsara sy ho mpirakidraharaha (ENMG), taona 2024. Noraisina, nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo, ny didim-panjakana manendry an-dRa­manana […]