Nifarana ny alarobia lasa teo ny lalao mandroson’ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, « Ligue des Champions 2024 (LDC) », taranja baolina kitra. Azo heverina fa hafana ny fihaonana miverina amin’ity fifaninanana eoropeanina ity. Hanalavela any amin’ity fifanintsanana ity ny Bayern Munchen, Allemagne sy ny Arsenal FC, Angleterre. Tsiahivina fa lavon’ny Lazio Italia, tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Bayern, ny alarobia 14 febroary lasa teo, tany Italia. Resin’ny FC Porto, 1 no ho 0, ny Arsenal, ny afakomaly, tany Portugal. Hanomboka ny talata 5 marsa ho avy izao ny fifanandrinana miverina eo amin’ny Bayern sy Lazio, raha toa ka ny 12 marsa, ny an’ny Arsenal sy ny FC Porto.
Ankoatra izay, ekipa miisa enina amin’ireo klioba 16 tafita amin’ity dingana manaraka ity no manana tombony, taorian’ny fandresena azon’izy ireo. Anisan’izany ny Real Madrid Espagne, Paris Saint Germain France, FC Porto, Manchester City Angleterre, Inter Milan Italie, Lazio.
Fitia Randria




