Mois : février 2024

Distrikan’Antanifotsy : miandrandra olona hitondra fampandrosoana

Nanao fanambarana omaly, ireo ben’ny Tanàna 12, ao amin’ny distrikan’Antanifotsy. Milaza izy ireo fa miandrandra olom-baovao hitondra fampandrosoana any an-toerana. Manoloana izany, hanolotra an-dRakotondrazafy Justin na i Zilikely Fanavotana ho kandidà amin’ny fifidianana solombavambahoaka izy ireo. Man­gataka ny fankatoavan’ny fanjakana foibe ireo ben’ny Ta­nàna mba ho isan’ny kandidam-panjakana ny olona […]

Faritra Analamanga : nanolotra fitaovana ny Pnud

Natao omaly, tetsy Ambohidahy, ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny faritra Analamanga sy ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana ny Pnud. Fanolorana fitaovana hiatrehana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza no nifantohan’izany. Nisy ny fanolorana motopompes, moto, borety, trano lay… Nilaza ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery, fa tonga ara-potoana ny […]

Fanabeazana ara-pananahana: tsy manaiky ny naoty navoakan’ny minisitera ny depiote

Mitsipaka ny naoty, mahakasika ny fanabeazana ara-pananahana, navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny solombavambahoaka. Voalaza fa mila fankatoavana ny fampianarana ho zaraina any an-dakilasy. Namoaka « note circu­laire » ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny volana novambra 2023. Ma­nambara izany fa tsy maintsy alefa any amin’ny sampandraharaha misahana ny toeram-pampianarana ny hetsika fanentanana na fampahala­lana rehetra […]

Fampiofanana olom-boafidy: nahazo fiofanana ny tomponandraikitra

Manatanteraka fiofanana mahakasika ny fitantanana raharaham-panjakana, ny Ta­le sy ny Lehiben’ny sampandraharaha eo anivon’ny Ins­titut Nationale de la Décen­tralisation et du Dévelop­pe­ment Local (INDDL). Fiofa­nana izay notanterahina na­no­mboka omaly ary ifarana anio. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hahafantaran’izy ireo bebekokoa ny momba ny fanjakana tsara tantana sy ny hahafehezan’izy ireo […]

Fametrahana sekretariam-panjakana : velom-panahiana ny firaisamonina sivily sasany

Raha jerena ny lasa, ny fandaniana mihoa-pampana nandritra ny taona amin’ny fampandehanan-draharaham-panjakana, manana zo feno ny olom-pirenena hitaky mangarahara, tamberin’andraikitra, indrindra fiantraikany mivaingana amin’ny fiainany andavanandro ho an’ny fampandrosoana maharitra. Izay no anisan’ny voalazan’ny fanambaran’ny firaisamonina sivily CCOC, MSIS-Tatao, ONG Hitsy, ONG Ivorary, ONG Lalana, ONG Ravin­tsara, omaly, ny amin’ny […]