Mois : février 2024

Minisiteran’ny Tontolo iainana: hametraka fanodinana fako miisa enina

Mifototra amin’ny vina fototra fito ny fandaharanasan’ ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (MEDD) : Toeka­re­na maharitra sy ny fiarahamonina tomponandraikitra, ny famatsiam-bola maharitra, ny ady amin’ny fandotoana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny voly hazo sy ny fitandrovana izany, ny diplaomasia maitso sy ny fiaraha-miombon’antoka, ny fitantanana voatsara, ary […]

67ha Avaratra Andrefana : nisitraka jiro cobra ny mponina

Mitohy ny fampanantenan’ny filoham-pirenena ny vahoaka amin’ny fitondrana hazavana, nandritra ny fampielezan-kevitra nataony. Nahafaly ny mponina ny fisitrahana ireo jiro cobra teny amin’ny fokontany 67ha Avaratra Andrefana. Nitohy, omaly, ny fametrahana jiro cobra hanazava ny lalana maro eto Antananarivo. Nisitraka izany ny mponina teo anivon’ny fo­kontany 67 ha Avaratra An­drefana. […]

SOMBIM-BAOVAO

Hatao ny alahady 25 febroary izao, eny amin’ny Tranompokonolona Ivato, ny”Grand combat Muay Thaï”, hifanandrinan’ny mpikatroka avy any Toamasina sy ny avy eto Analamanga. Sokajy A, B, C no hifaninana mandritra izany, izay hahitana ireo kalaza efa andrarezina sy izay mbola vao misandratra. Mizotra tsara ny fikarakarana ny handraisan’i Madagasikara, […]

Cross country Analamanga : hatao ny alahady izao ny fifaninanana

Araka ny tetiandro napetraky ny ligin’ny atletisma Analamanga, hotanterahina amin’ny alahady 25 febroary ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondaka amin’ny Cross country. Eny amin’ny bout de piste Ivato no hanaovana izany. Hanana ny lanjany lehibe ity fihaonana ity, satria hifantenana izay hisolo tena an’Analamanga amin’ny fifaninanam-pirenena hatao any […]